Lany ny tahirin-tsolika: Tanan-dehibe maro no voatery mampihatra fanapahan-jiro mifandimby

  • samedi, 25 janvier 2020 19:58
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tanàna maromaro no misedra olana amin'ny famokarana herinaratra vokatry ny andro ratsy izay mampananosarotra ny fivezivezen'ny kamiao mpamatsy solika noho ny lalana ratsy na tapaka mihitsy.

Ritra ny tahirin-tsolika ao amin’ny foibe famokarana herinaratra any Morafenobe Faritra Melaky, ka tapaka tanteraka ny herinaratra noho ny fiara mitondra solika mikatso anaty lalan-dratsy. Mety ho ny fiandohan’ny herinandro iny vao ho tonga any an-toerana ny solika.

Tanàna maro toa an’i Soalala, Besalampy, Andilamena, Ambatondrazaka, Ambatomainty, Tsaratanana, Bealanana, Analalava, Mampikony ary Mandritsara no voatery mampihatra fanapahan-jiro mifandimby vokatry ny fahatapahan'ny lalam-pirenena ka miteraka fahataran'ny famatsiana solika.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.