Andekaleka: Nihena ho 35MW ny herinaratra vokariny raha tokony ho 92 MW

  • vendredi, 24 janvier 2020 14:31
  • Zakaria

Tsetsin’ny fasika sy fako nentin’ny rano nandritra ny andro ratsy teo ny fivarinan’ny rano avy amin’ny toho-drano mankao amin’ny tobim-pamokarana herinaratry ny JIRAMA ao Andekaleka.

Niteraka fihenan’ny rano tonga ao amin’ny tobim-pamokarana izany, ary misy fiantraikany betsaka amin’ny famokarana herinaratra. 35MW sisa izany ankehitriny raha tokony ho 92 MW. Misy ny asa fanadiovana ny toho-drano hatry ny omaly ary nitohy tamin’ity androany 24 janoary ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.