Fifamoivoizana: Mihato vonjimaika ny Fitaterana RN4 - RN6

  • mercredi, 22 janvier 2020 12:32
  • Zakaria

Noho ny rotsakorana tsy mihato, ka miteraka fihotsahan'ny tany sy fiakaran'ny rano, dia nanambara ny avy ao amin'ny ATT, fa dia miato vonjimaika ny fitaterana an-tanety mankany Mahajanga sy Antsiranana ny alarobia 22 janoary sy ny alakamisy 23 janoary 2020.

Ho an'ireo mpampiasa lalana kosa dia betsaka ireo lalana simba sy tapaka:

* Lalam-pirenena faha-efatra (RN4) mampitohy an'Antananarivo sy Mahajanga:

Anelanelan'Ambondromamy sy Mahajanga:

- Anjinja: Làlana tapaka

- Ankarafantsika: Làlana tototry ny fasika

- Tanambao Andranolava: Fiakatry ny rano

* Làlam-pirenena faha-enina (RN6) mihazo an'Antsiranana:

- Eo anelanelan'i Mampikony sy Port Bergé: Làlana tapaka

- Eo anelanelan'i Ambanja sy Ambilobe: Fiakaran'ny rano

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.