Jono: Mitaky ny hamerenana Ministera manokana

  • mercredi, 15 janvier 2020 19:24
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nametraka sorabaventy teo amin’ny toeram-piasany eo Ampandrianomby Antananarivo, ny mpiasan’ny foibem-pitondrana ankapobeny momba ny jono sy ny harena an-dranomasina, eo anivon’ny Ministeran’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono, mitaky ny hamerenana ny ministeran’ny jono.

Tsy ampy fitaovana hiasana toy ny solosaina, fiara, nanjary mitarazoka ny asam-panjakana satria raha iray ihany dia ahavitana mikarakara fahazoan-dalana hanjono teo aloha dia lasa roa herinandro izany vao vita ankehitriny, hoy ny mpiasa noho io fanovana natao io, ary tena zava-doza dia nihena hatrany amin’ny 50% ny fampidiram-bola amin’ny kitapombolam-panjakana satria raha nampiditra 8 miliara Ariary mahery 2018 dia tsy misy afa-tsy 4 miliara izany tamin’iny 2019 iny, hoy hatrany ny mpiasa ka mangataka ny mpiasa mba handiniana akaiky ny toe-draraha mba tsy hahapotika ny seha-pihariana jono.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.