SECES, Sampana Antananarivo: Miantso ny filohan’ny Repoblika hamaha ny olana

  • mardi, 14 janvier 2020 22:22
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote

Miantso ny filohan’ny Repoblika hamaha ny olana sy hametraka ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tSiansa amin’ny toerana sahaza azy, ary koa hanolo tsy misy hatak’andro an’ireo olom-boatendry manana andraikitra ambony izay tsy mahatanteraka ny andraikitra nankinina taminy. 

« Raha mitohy ny tsy famahana an’izao olana izao dia hiteraka olana tsy ho an’ny Oniversite manerana ny nosy ihany fa ho an’ny firenena manontolo » hoy ny fanambarana nataon’ny SECES, Sampana Antananarivo.

« Miandry valiny mahafa-po hatramin’ny 15 janoary 2020 ny sendika », araka ny fanambarana nataony, satria ny mpianatra dia efa te-hianatra, ary « raha vao mahazo valiny mahafa-po ny Mpampianatra-Mpikaroka sy Mpikaroka-Mpampianatra dia manapaka avy hatrany eo anivon’ny Fivoriambe ny fanohizana ny asa fampianarana sy fikarohana ».

(Sary Gasypatriote, vavahady nihidy, nivangongo tety ivelany ireo fiara)

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.