Herinaratra: Miverina amin'ny laoniny tsikelikely ny famatsiana ireo tokantrano 20 000 tapaka jiro hatry ny omaly.

  • dimanche, 05 janvier 2020 19:16
  • Zakaria
  • Sary: JIRAMA

Vita tanteraka ireo asa fanarenana vonjimaika ireo "pylônes" lehibe mitondra herinaratra 138 000 V eny Behintsy sy roa hafa mitondra 63 000 V eny Alasora, izay nazeran'ny rivotra nifofofofo omaly folakandro, araka ny fanambarana nataon’ny Jirama io tolakandro io.

Efa miverina tsikelikely amin'ny laoniny ny famatsiana ireo tokantrano 20 000 niharan’ny fahatapahan- jiro hatry ny omaly.

Mbola mitohy kosa ny fanarenana ireo andrin-jiro kely nianjera amin'ny tany izay heverina ho vita rahampitso.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.