Bakalôrea: Nilamina ny fizotran’ny fanadinana fihodinana faharoa manokana nanerana ny Nosy

  • samedi, 26 octobre 2019 22:15
  • Zakaria

Nifarana ny marainan’ity sabotsy 26 oktobra ity ny fanadinana Bakalorea ankapobeny andiany faharoa manokana. Nilamina tanteraka ny fizotran’ny fanadinana nanerana ny Nosy, hoy ny avy amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, tompon'andraikitra voalohany amin’ny fanatontosana ity fanadinana ity.

Hanomboka amin’ny alatsinainy 28 oktobra ny fitsarana ireo taratasim-panadinana ho an’ny Bakalorea andiany manokana, ary hivaly ny herinandro manaraka aorian’ny fitsarana izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.