Tselatra

    • mardi, 01 septembre 2020 08:51
    • Sary nindramina

    Naharimamy Irmah Lucien: Mandray ny toerana maha solombavam-bahoaka azy

    Namoaka didy 09-HCC/AR ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny 31 aogositra 2020 mamerina an-dRtoa Naharimamy Irmah Lucien ho depioten’i Madagasikara. Voafidy tao Toamasina I izy, tamin’ny lisitra « Isika Rehetra Miaraka amin’i Andry Rajoelina ». Handray ny toerany ao Tsimbazaza i Naharimamy Irmah Lucien, mifarana araka ity didy ity ihany koa ny maha depiote mpisolo toerana an’i Justin Famindra, nandritra ny fotoana naha minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy an’i Naharimamy Irmah Lucien. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 01 septembre 2020 08:44
    • Sary nindramina

    Fenoarivo Atsinanana: Indriandro Julien no depiote misolo an’i Bavy Angelica Michelle

    Namoaka didy ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenena mamaritra ny solombavam-bahoaka ao Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo taorian’ny nanendrena an’i Bavy Angelica Michelle ho minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy. Indriandro Julien, mpisolo toerana voalohany amin’ny lisitra « Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina » ao amin’ny fari-pifidianana Fenoarivo Atsinanana no nambaran’ny HCC ho solombavam-bahoakan’i Fenoarivo Atsinanana manomboka izao, ary handray ny toerany ao Tsimbazaza. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 29 août 2020 19:50
    • Sary nindramina

    Japon: Nametra-pialana ny Praminisitra Shinzo Abe

    Antony ara-pahasalamana, aretin’ny tsinay niotrika tao aminy, izay nambarany tsy ahafahany manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asa aman’andraikiny, no nanapahany hevitra ny hametra-pialana ary nanaovany fialantsiny tamin’ny Vahoaka japoney. Nanomboka ny taona 2012 i Shinzo Abe no praminisitra tany Japon. Izy no isany naharitra teo amin’io toerana io.Hanohy ny asany izy mandram-panendry izay handimby toerana azy. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 28 août 2020 21:01
    • Sary nindramina

    Mali: Navotsotry ny miaramila mpioko ny filoha IBK, tafatsoaka ny zanany lahy

    Nosamborin’ny andia-miaramila mpioko ny 18 aogositra 2020 ny filohan’i Mali, Ibrahim Boubacar Keïta na IBK. Nametra-pialana avy hatrany izy. Maromaro koa ireo mpitondra ambony nosamborin’ireo mpioko, anisany ny depiote zanaka lahy ny filoha IBK. Nisy iraky ny CEDEAO (Communauté économique des États de l'Afrique de l'Ouest) tonga nanao fanelanelanana tany Mali, nitaky ny hamotsorana ny filoha IBK sy ireo nosamborin’ny miaramila mpioko nandrombaka ny fahefana ny vondrona iraisam-pirenena. Nilatsaka koa ny sazy, mihantona tsy ho mpikambana eo anivon’ny vondrona Afrikana i Mali. Ny alakamisy 27 aogositra 2020 no navotsotr’ireo miaramila i IBK. Tafatsoaka any ivelan’i Mali ny zanany lahy. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 28 août 2020 15:28

    EPS: Foanana ny adina ara-panatanjahantena BEPC 2020.

    EPS: Foanana ny adina ara-panatanjahantena BEPC 2020.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 août 2020 21:36

    Fonja vaky tao Farafangana: Voafonja miisa 19 mbola karohina

    Mitohy ny fikarohana ireo voafonja nandositra taorian’ny fahavakisan’ny fonjaben’i Farafangana ny atoandron’ny alahady 23 aogositra 2020 lasa teo. 88 no tafatsoaka, maty voatifitra ny 22. Mbola misy 19 karohina amin’izao fotoana izao.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 août 2020 21:33
    • Sary nindramina

    Ambodisoanambo-Toamasina: Nakaton’ny fanjakana io tolakandro io ny orinasa AAA

    Herinandro taorian’ny nanakatonan’ny fanjakana ny Magro Behoririka Antananarivo, dia nakaton’ny fanjakana io tolakandro io ny orinasa AAA, na Magro teo aloha ao Ambodisoanambo-Toamasina, araka ny taratasy nentin'ireo mpiasan'ny sampandraharaha ny hetra sy ny vadintany nanao izany fanakatonana izany. Antony telo no voalaza fa nanakatonana ny orinasa AAA teto Toamasina, ka isan'izany ny ambaran'ny sampandraharaha ny hetra fa tsy fananany taratasin-ketra araky ny vaninandro, sy ny tsy fahaloavana izany hetra izany ara-potoana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 25 août 2020 18:29

    Moramanga: 14 volana tsy nandray tambinkarama ireo Sefo Fokontany

    Ny jona 2019 no nandray tambinkarama farany ireo Sefo Fokontany ao Moramanga. « Mafy ny asanay », hoy izy ireo, nefa tsy mba misitraka valin-kasasarana izahay. Efa ho lava ny fampanantenana ireo Sefo Fokontany ireo. Tsy hita hantenaina nefa koa tsy very hafoy ny tambinkaraman’izy ireo.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 25 août 2020 18:19

    Mahabo: Tovolahy maty notifirin’ny Polisy, nisavorovoro ny tanàna androany

    Nisy andian’olona nilanja sorobaventy tao Mahabo, Faritra Menabe, androany, naneho ny hatezerany tamin’ny nahafatesan’ny tovolahy tsy ampy taona iray maty notifirin’ny polisy ny sabotsy lasa teo. Voalaza fa tohin’ny raharaha fandrobana ny tobin-tsolika Jovena tao Morondava ny 20 aogositra 2020 izy ity. Voasambotry ny Polisy azo sambo-belona tao Mahabo ny jiolahy roa tompon’antoka tamin’izany ny 21 aogositra 2020. Nandroba sy nitifitra Karana tompona tranombarotra iray ao Morondava Centre ihany koa ireto jiolahy voasambotra ireto, talohan’io fanafihana ny tobin-tsolika Jovena io.
    Lire la suite ...
    • mardi, 25 août 2020 15:51

    Antenimieram-pirenena: Hatao eny amin’ny CCI Ivato ny fivoriana tsy ara-potoana

    Hivory tsy ara-potoana ny solombavam-bahoaka manomboka rahampitso alarobia 26 aogositra. Hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato ny fivoriana raha toa ka teny amin’ny Lapam-panjakana Tsimbazaza no voatondro omaly. Haharitra 12 andro ny fivoriana. Ny lahadinika amin’izany dia mikasika ny « commission mixte paritaire » hoentina mandany ny volavolan-dalàna laharana faha 001/2020 tamin’ny 26 febroary 2020.  
    Lire la suite ...
Page 6 sur 591