Tselatra

    • jeudi, 17 septembre 2020 21:13

    Malagasy avy any Ivelany: Mitondra tsimok’aretina Covid-19 ny 16 tamin’ireo 1900 efa tafody

    Manodidina ny 1900 ireo Malagasy tavela tany ivelany no efa tafody an-tanindrazana hatramin’ny 15 aogositra. Sidina manokana no nitondra azy ireo nankaty Madagasikara.  16 tamin’ireo no voamarina fa mitondra tsimok’aretina Covid-19 tamin’ny fitiliana PCR tsy maintsy nataon’izy ireo teo ampahatongavana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Nihiboka avy hatrany izy ireo vao tonga teto Madagasikara, niandry ny valin’ny fitiliana natao azy ireo. Toerana efatra no nandray azy ireo, ny roa teny Ambatomirahavavy, ny iray teo Ankorondrano. Mitokana efitra, miantoka sakafo sy saram-piantranoana ireo mpandeha ireo, nandritra ny fihibohana niandrasana ny valin’ny fitiliana PCR natao azy ireo.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 16 septembre 2020 23:10
    • Sary fampiaingoana nindramina

    CHU Tanambao I - Antsiranana: Voatendry ho Tale Andrianiaina Hery Dels

    Andrianiaina Hery Dels, dia voatendry ho Talen’ny Hopitaly manarapenitra ao Antsiranana (Centre Hospitalier Universitaire Tanambao Antsiranana). Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra androany ny didim-panjakana fanendrena azy.    
    Lire la suite ...
    • mardi, 15 septembre 2020 20:26
    • Sary nindramina

    Fampianarana teknika sy arak’asa: Mpiadina 1559 miatrika fanadinana nanomboka omaly

    Nanomboka omaly alatsinainy 14 septambra 2020 ny fanadinana ahazoana ny CAP (Certificat d’Aptitude Professionnelle) sy ny CFA (Certificat de Fin d’Apprentissage) ho an'ireo mpiadina 1559 manerana ny nosy. Miisa 1283 ireo mpiadina miatrika ny CAP ary 276 kosa ny miatrika ny CFA izay mitsinjara ao antin’ny ivo-toeram-panadinana miisa 49 manerana an’i Madagasikara. Haharitra efatra andro ny CAP, ary telo andro kosa ny CFA. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 15 septembre 2020 19:41
    • Sary nindramina

    Faritra Anosy : 91,23% ireo mpiadina voasotra anarana no niatrika fanadinana CEPE

    Tontosa androany ny fanadinana CEPE manerana ny Nosy. Ny Faritanin’i Toliara sy Toamasina no nanakatona tanteraka izany.  Nizotra ampilaminana ny fanadinana tamin’ny ankapobeny. Tao amin’ny Faritra Anosy dia nisy 7904 ireo mpiadina voasoratra anarana ; ny 7211 tamin’ireo no tonga nanatrika ny fanadinana CEPE androany, manome taham-pahatongavana 91,23%. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 15 septembre 2020 19:24
    • Sary nindramina

    Ankaragnila - Lokomby: Kila hotohoton’ny afo ny tanàna

    Nitrangana haintrano goavana tao Ankaragnila Kaominina Lokomby, Distrikan'i Manakara androany. Niainga tamina tokantrano iray ny afo ary niitatra tamin’ireo trano manodidina. Trano vitsy sisa niangana fa may kila hotohoton’ny afo ny tanàna sy ny ankamaroan’ny fananan’ny olona. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 15 septembre 2020 19:22
    • Sary nindramina

    Fanafihana mitam-piadiana: Lehilahy iray naratra voatifitra, lasan’ny jiolahy ny vola be

    Nitrangana fanafihana mitam-basy taty Toliara androany. Lasan’ny jiolahy ny vola 20 tapitrisa Ariary an’ny orinasa COPEFRITO, lehilahy iray naratra mafy voatifitra. Manao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 15 septembre 2020 10:35
    • Sary: Polisim-pirenena

    Faritra DIANA: Toeram-pilanonana miisa 08 nakatona, nampidirina violon ireo tompon-trano

    Feno olona, sady tsy misy manaja fepetra ara-pahasalamana, ireo toeram-pilanonana nisokatra tany amin'ny Faritra DIANA, kanefa mbola misy ilay valanaretina Covid-19 any an-toerana. Nakaton'ny Polisy avokoa ireo toeram-pilanonana miisa 08, ary nampidirina « violon » ireo tompon-trano satria minia mandika ny fepetra hiarovana amin'ny fiparitahan'ilay valanaretina. Niisa 363 ireo olona nampanaovina asa iombonana, rehefa hitan’ny Polisy fa tsy nanao Arotava. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 15 septembre 2020 06:14
    • Sary nomena

    Faritra Atsinanana : Vonona hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE

    Hatao anio Talata 15 Septambra ny fanadinam-panjakana CEPE ato amin’ny Fiadidiam-pampianaran’ny Faritra Atsinanana. Nanazava ny Governora RAFIDISON Richard Théodore fa nifandrimbonana ny ezaka fanomanana: •Isaorana ny Fitondram-panjakana nampindrana angidim-by na hélicoptère nanaterana ny laza adina tany amin’ireo ivon-toeram-panadinana any amin’ny Distrika saro-dàlana ato anatin’ny Faritra, •Isaorana ny OMC nanomana ny lafiny filaminana sy fahalemana,
    Lire la suite ...
    • lundi, 14 septembre 2020 20:05

    Fanadinana CAP: Distrika roa no manana kandida ao anatin’ny Faritra Menabe

    Nanomboka androany ny fanadinana CAP (Certificat d'Aptitude Professionnel) eo anivon’ny ministeran’ny fampianarana teknika sy arak’asa. Distrika roa amin’ny dimy no manana kandida miatrika izany ao anatin’ny Faritra Menabe. Miisa 14 ny kandida Morondava ary 36 ao Manja. Nahitana fihenany ny isan’ny kandida CAP tao Morondava satria izay lasa tamin’ny fihibohana tsy niverina nanao dosie.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 14 septembre 2020 19:53

    Ankatsakantsa Sud – Morombe: Voasambotra ireo mpanakan-dalana

    Saron’ny Zandary ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamin’ny sakan-dalana tao Bevoay Kaominina Ankatsakantsa Sud, Distrika Morombe, Faritra Atsimo Andrefana ny alin'ny 02 septambra lasa teo. Lasibatra tamin'io ny kamiao an’ny mpandraharaha iray monina ao Toliara. Naratra ny mpamily sy ny mpanampy azy ary voaroba ny vola mitentina 22 tapitrisa Ariary.Niara-miasa ny Zandary sy ny Dinabe tao an-toerana nanao fikarohana ka nahatratrarana azy efa-dahy mpanao ratsy.  
    Lire la suite ...
Page 2 sur 591