Tselatra

    • lundi, 03 août 2020 21:37

    Mahajanga: Anatin’ireo faritany telo tena maro olona voan’ny Covid-19

    Anatin’ireo faritany telo izay tena maro olona mitondra ny otrikaretina Covid-19 i Mahajanga. Ho an’ny faritra Boeny manokana dia 210 no isan’ireo hitan’ny fitiliana fa mitondra ny otrikaretina ankehitriny. 111 amin’izy ireo mitsabo tena any an-tokantrano ary ny 22 kosa dia eny amin’ireo hopitaly voatokana amin’izany. Misy ireo marary ahiahiana ihany koa no efa tsaboina eny amin’ny hopitaly na dia tsy mbola nahavitana fitilina, kanefa maneho ireo fambaran’ilay aretina. Olana amin’ny tsy ahafahana mifehy ny valan’aretina araka ny tatitra nandritra ny fivorian’ny CRCO Boeny androany, dia ny tsy fihibohan’ireo olona efa voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina. Mbola misy hatrany ny fivorivoriana eny anelankelan’ny Fokontany, ary tsy manao aro-vava sy orona rehefa tsy mahita ireo mpitandro filaminana.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 03 août 2020 21:36

    Gasypatriote: Miampy namana mpanao gazety sady mpandalina

    Tongasoa ny namana Balita, hitondra amintsika ireo vaovao misongadina, ary hanao fandalinana ara-politika, sosialy ary ara-toekarena amintsika. I Balita dia mpanao gazety mana-pahaizana ambony momba ny fandalinana fiaraha-monina. Raha ny fomba fijeriny dia mitaiza sy manabe olom-pirenena amin'ny alalan'ny vaovao marina sy mitombona no tanjony. Ny eto amin'ny Gasypatriote moa dia fenitra napetraka ny fahalalahan'ny mpanao gazety amin'ny fomba fijery maro loko ahafahan'ny rehetra mandalina sy manao ny safidy fandalinana avy eo. Tsy misy teritery na lohahevitra fady, ankoatran'ny fifanajana sy ny fahamarinan'ny vaovao ary fanajana ny fenitra maha mpanao gazety. Hijanona tsy ambaratelo ny momba azy, fa hitatsika miandalana eny ihany ny sangan'asan'i Balita. Mirary soa e.Patrick
    Lire la suite ...
    • lundi, 03 août 2020 12:38
    • Sary nindramina

    Hetsika « Sosialim-bahoaka » : Mitohy ny fizarana tohana ara-tsakafo ho an’ireo fianakaviana sahirana

    ANS Ampefiloha, CRC Tsiadana, CEG Ambohimiandra, EPP Vohibola, EPP Antanimena, Kianja Angarangarana, Coliseum Antsonjombe, Andranomena no anisany toerana anohizana ny hetsika « Sosialim-bahoaka » izarana tohana ara-tsakafo ho an’ireo fianakaviana sahirana hiatrehana ny hamehana ara-pahasalamana. Fianakaviana miisa 1 200 avy no hisitraka izany ao amin’ny Boriborintany Voalohany, Faharoa, Fahatelo, Fahaefatra ary fahaenina ; 1800 kosa ny ao amin’ny Boriborintany Fahadimy. Natomboka teo amin’ny Kianja Malacam tamin’ny sabotsy 1 aogositra moa ity hetsika « Sosialim-bahoaka » ity.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 03 août 2020 11:47
    • Sary nindramina

    Mahabo Menabe: Tonga ny Vatsy Tsinjo

    Ny 31 jolay teo no nizarana ny Vatsy Tsinjo teto Mahabo Menabe. Tamin’ny 7ora maraina dia efa raikitra ny filaharana, ny sasany efa tamin’ny 2ora tolakandro vao nahazo ny anjarany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 02 août 2020 13:05
    • Sary: ZP

    Fihaonana – Tsiroanomandidy: Jiolahy mitam-basy iray maty voatifitra

    Tokantrano iray tao Bekapika Fokontany Amparihibe, Kaominina Fihaonana, Distrika Tsiroanomandidy notafihin’ny jiolahy mitam-basy. Tafatsoaka anefa ny tompontrano, ka afaka niantso vonjy. Nifanome tanana ny Fokonolona nampian’ny Zandary nanenjika ireo jiolahy. Voasambotra ny iray, tafatsoaka kosa ny roa. Teny an-dalana hanoro ny toerana misy ireo roalahy nitsoaka ilay jiolahy voasambotra no nanararaotra nitsoaka tao anaty haizina sy oran’andro. Nanapoaka basy ny Zandary hampijanonana azy saingy nanao anjolofo ilay jiolahy ka maty voatifitra. Raindahiny amin’ny halatr’omby sy vaky trano ity farany.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 02 août 2020 12:55

    Covid-19: Nahitana tranga 18 tao SAVA tao anatin’ny tapa-bolana

    Faritra anisany ahitana tranga Covid-19 i SAVA. Miisa 18 izany tao anatin’ny tapa-bolana, teo anelanelan’ny 13 ka hatramin’ny 31 jolay 2020. Sitrana ny 2 tamin’ireo, mbola manaraka fitsaboaka kosa ny 16, ka any an-tranony ny 6 amin’ireo, raha any amin’ny hopitaly kosa ny 10. Tsy nisy namoy ny ainy, misy 54 kosa ireo tranga mampiahiahy miandry valim-pitiliana.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 01 août 2020 18:35
    • Sary nindramina

    Frantsa: Nampisora-panambadiana ny Masoivohon'ny Repoblikan'i Madagasikara

    Nanatanteraka fisoratam-panambadiana ny Masoivohon'i Repoblikan'i Madagasikara ao Frantsa, Rajohnson Rija Olivier, ny zoma 31 jolay 2020 tao amin'ny Masoivoho, ary tanatin'ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana. Tafiditra anatin’ny asa aman’andraikitry ny Masoivoho rahateo izany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 31 juillet 2020 22:39

    Famatsiam-bola: Nahazo 171,9 tapitrisa dolara tamin’ny FMI i Madagasikara

    Nankatoavin'ny Filankevi-pitantanan'ny Tahirimbola Iraisam-Pirenena (FMI) ny famatsiam-bola fanampiny mitentina 171,9 tapitrisa dolara ho an'i Madagasikara ao anatin'ny FCR (Facilité de Crédit Rapide).  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 31 juillet 2020 22:36

    Holafitry ny Vaditany sy Mpanao Lavanty: Nodimandry i Me Rakotonoely Sylvain Gabriel

    Misaona ny Holafitry ny Vaditany sy Mpanao Lavanty eto Madagasikara. Nodimandry androany i Me Rakotonoely Sylvain Gabriel, Vadintany sady mpanao lavanty ao Toliara, Mpanolontsaina ao amin'ny Biraon'ny Holafitra.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 31 juillet 2020 22:31
    • Sary nindramina

    31 jolay: Andro manerantany hoan'ny Polisin'Ala

    31 jolay: Andro manerantany hoan'ny Polisin'Ala.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 581