Kitra malagasy : Hijanona tsy hilalao intsony i Leda, mpiandry harato
- mardi, 12 janvier 2021 19:38
- Sary nindramina
Tamin’ny alalan’ny tambazotra serasera no nanambaran’i Leda Sandratra Mathieu sy Rakotonirina Jolce Junior fa hapirina ny gaodasiny, ka ijanona tanteraka tsy ho mpilalao baolina kitra amin'ny sehatra avo eto Madagasikara izy ireo.
Hifantoka tanteraka amin'ny asa aman'andraikitra amin'izay izahay ary koa amin'ny fikarakarana ny Ankohonana, hoy ny fanambarana.
Mpiandry harato tao amin’ny ekipam-pirenena malagasy na Barea i Leda, isan’ireo niaro ny voninahi-pirenena nandritra ny CAN2019 natao tany Ejipta i Leda.
An’isan’ireo mpilalao novolavolain’ny klioba « CNaPS sport football » izy. Maro ny zava-bita tsara nataon’i Leda teo amin’ny sehatry ny baolina kitra teto Madagasikara ary indrindra teo amin’ny klioba « CNaPS sport football », izay nanomezan’ny mpitantana ny klioba azy sy ireo mpiasan’ny CNaPS rehetra manerana ny Nosy ny marim-pankasitrahana ho fankasitrahana azy.
32 taona i Leda izao nanapa-kevitra tsy hilalao izao intsony.
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
http://gasypatriote.com/index.php/sport/item/25451-kitra-malagasy-hijanona-tsy-hilalao-intsony-i-leda,-mpiandry-harato.html#sigProGalleriaaa08325f3e
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.