Kitra – Fifanintsanana CAN 2021 : Voatazon’ny Barea sahala 1 noho 1 ny Elefantan’i Côte d’Ivoire

  • mardi, 17 novembre 2020 22:06
  • Sary nindramina

1 noho 1, io no isa nisarahan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, nandritra ny lalao miverina natao tao amin’ny Kianja Barikadimy Toamasina androany tolakandro.

Ny Ivoariana no nahatafiditra baolina voalohany teo amin’ny minitra faha-15, taorian’ny penalty nodakan’i Franck Kessié, izay isa tokana nentin’ny ekipa roa tonta niala sasatra.

Nosahalain’ny Barea tamin’ny alalan’i Ibrahim Amada, kapiteny, tamin’ny daka mandrivorivo avy any amin’ny 30m, teo amin’ny minitra faha-51, ary io isa sahala 1 noho 1 io no nisarahan’ny roa tonta.

Sambany teo amin’ny tantaran’ny lalao nifanandrinan’ny ekipam-pirenena malagasy sy ivoariana no ady sahala, fa saika nibata fandresena hatrany i Côte d’Ivoire.

Samy manana isa 7 mitovy i Côte d’Ivoire sy Madagasikara taorian’ny andro fahaefatra ny lalao ao amin’ny vondrona K misy antsika.

Nandresy 3 noho 0 an’i Niger i Ethiopie androany, lalao natao tany Ethiopie ary mametraka an’ity firenena ity eo amin’ny laharana fahatelo vonjimaika, manana isa 6, ao amin’ity vondrona K ity.

Fahaefatra, manana isa 3 kosa i Niger.

Hiatrika lalao miverina amin’i Ethiopie, any aminy, ny Barea amin’ny 22 marsa 2021 ; Ethiopie izay tsy mbola resy tao an-taniny hatreto.

Ary ny lalao miverina amin’i Niger, izay hatao eto Madagasikara amin’ny 30 marsa 2021 no hamarana ny lalaom-bondrona hatrehin’ny Barea.

Marihina fa ireo ekipa roa be isa indrindra isaky ny vondrona, no hiatrika ny dingana famaranana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika izay hatao any Cameroun amin’ny taona 2021.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.