Kitra – Lalao fanomanantena: Ho any Maroc ny Barea, hifampitsapa amin’i Burkina-Faso

  • dimanche, 04 octobre 2020 17:40

Tsy raikitra ny fihaonana amin’i Ghana fa raikitra ihany indray kosa ny fifampitsapana amin’i Burkina-Faso, araka ny fanazavana nataon’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea momba ireo fanomanantena mandritra ny fampivondronana hatao manomboka ny 5 ka hatramin’ny 13 oktobra 2020 izao.

Hanomboka any Luxembourg ny fampivondronana izay homarihina amin’ny lalao ara-pirahalahiana hihaonan’ny Barea aminny Swift Hesperange, klioba diviziona voalohany ao Luxembourg ny zoma 9 oktobra 2020.

Hiazo an’i Maroc avy hatrany ny Barea aorian’ny lalao, hanohy ny fanazarantena sy fampivondronana mialoha ny hiatrehana ny lalao ara-pirahalahiana amin'i Burkina-Faso ny 12 oktobra 2020.

Hotely manana ny kalitao ambony no handray ny Barea, iray isaky ny efitra ny mpilalao.
Hanana ny kianja voatokana ny Barea hanaovana fanazarantena any Maroc.

Mbola ilay « maillot » misy marika Garman ihany izay ny Telma no nanolotra izany hanaovan'ny Barea amin'io lalao io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.