Haiti: Nahatona amin’ny asany ny filohan’ny federasiona ny kitra, voarohirohy ho nanolana zazavavy tsy ampy taona

  • mardi, 26 mai 2020 22:02
  • Sary nindramina

Nilatsaka ny sazin’ny Federasiona iraisam-pirenena ny baolina kitra na FIFA mampiatona amin’ny asany an’i Yves Jean-Bart, 73 taona, filohan’ny federasiona ny kitra any Haiti, noho ity farany voarohirohy ho nanolana zazavavy tsy ampy taona, mpilalao baolina kitra.

Ny gazety anglisy The Guardian no nitatitra ny fitarainan’ireo zazavavy tsy ampy taona niharan’ny fanolanana nataon’i Yves-Jean Bart. Nisy tamin’izy ireo no voatery nanala zaza.

Taom-piasana enina izao no nitantanan’i Yves-Jean Bart ny federasiona ny kitra any Haiti.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.