Lalao olimpika Tokyo 2020: Mety tsy hisy mihitsy …

  • mardi, 28 avril 2020 19:10
  • Sary nindramina

Raha tsy voafehy hatramin’ny jona 2021 ny valanaretina Covid19 dia ho foana tanteraka ny Lalao olimpika Tokyo 2020, hoy i Yoshiro Mori, filohan’ny Komity mpikarakara tamin’ny fanambarana nataony androany talata 28 aprily 2020.

Noho ity valanaretina mamely manerantany ity, dia efa nahemotra ho amin’ny 23 jolay ka hatamin’ny 8 aogositra 2021 ity Lalao olimpika, raha tokony hatao 24 jolay ka hatamin’ny 9 aogositra 2020.

Andiany faha-XXXII ity Lalao olimpika Tokyo 2020 ity, miisa 33 ny taranjam-panatanjahantena hisy ahitana fifaninanana 321. Miraitowa sy Someity no sary famantarana ny Lalao.

Raha ny tantaran'ny Lalao olimpika, dia tamin'ny ady lehibe ihany no nahitana fanemorana.

Ho sarotra karakaraina kosa izany Lalao izany raha tsy misy vakisiny na fanefitra hiarovana amin'ity Covid-19 ity, hoy ireo mpikarakara.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.