Covid-19 : Nanolo-tanana ireo mpianatra hanala fanadinana aty Amboasary Atsimo i Bapasy

  • samedi, 25 avril 2020 19:52
  • Sary nindramina

Nanolotra aro-vava miisa 1000, savony 30 baoritra, daba mavo 20 isa ho an'ireo mpianatra hiatrika fanadinana amin’ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana eo anivon'ny Cisco Amboasary Atsimo i Razakanantenaina Pascal na Bapasy ho fiatrehana ny ady amin'ny Covid-19.

Mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena, vodilaharana ao amin’ny ekipam-pirenena malagasy Barea izy, isan’ireo niaro ny vonihatr’i Madagasikara tamin’ny CAN 2019 tany Egypta.

Nanolotra izany tamin’ny anaran'ny fianakaviana i Rakotonirina Richard, Ben'ny tanana, ary nandray ireo fanomezana sy nankasitraka ny mpanome kosa ny lehiben’ny Cisco sy ireo mpiara-miasa aminy.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.