Mining Business Center Ivato: Fihaonam-ben'ny Baolina kitra

  • mercredi, 29 janvier 2020 08:28
  • Sary nindramina

Maharitra roa andro ity Fihaonam-ben'ny Baolina kitra handinihina ny fomba anatsarana ny baolina kitra eto Madagasikara.

Tonga nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena, Tinoka Roberto, omaly talata 28 janoary, tetsy amin'ny Mining Business Center Ivato.

Talohan'ny nandraisany fitenenana, dia nahatsiaro manokana ireo traboina tamin'ny rivotra nitondra oram-be ka niteraka loza ho an'ny Malagasy maro. Niaraka nitsangana ny rehetra nanamarika iray minitra fahanginana ho an'ireo namoy havana tao anatin'izany.

Nanamafy ny minisitra Tinoka Roberto, fa dia vonona hanome ny heriny rehetra hanampiana ny kitra Malagasy, ary dia nankasitraka ny ezaka goavana nataon'ny Barea, indrindra tamin'ny fandresena goavana tamin'ireny CAN ireny. Maro ihany koa hoy izy ny ezaka ataon'ny Kilioba sy ny Federasionina, ka vonona hatrany ny fanjakana anampy ny mpilalao sy ny mpikarakara.

Mpizaika 170 manerana ny Nosy moa no miaraka mandinika loha-hevitra 8 mandritra izao fihaonana izao, izay hifarana androany alarobia 29 janoary.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.