Sport

    • vendredi, 13 mars 2020 19:22

    Kitra - Total CAF Champions League: Ahemotra ireo lalao voalahatra hatao ny 25 ka hatramin’ny 31 martsa

    Namoaka fanambarana ny Kaofederasiona afrikana ny baolina kitra (CAF) androany, fa dia ahemotra amin’ny fotoana manaraka ireo lalao fifanintsanana, voalahatra hatao ny 25 ka hatramin’ny 31 martsa 2020, hiadiana ny tapakila hiatrehana ny dingana famarana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 10 mars 2020 21:26
    • Sary nindramina

    Coronavirus: Atsahatra avokoa ireo fifaninana ara-panatanjahatena iraisam-pirenena

    Araka ny toro-marika manokana nomen'ny Filoham-pirenena tamin'ny filan-kevitry ny minisitra ny 04 mars teo dia atsahatra aloha ireo fifaninana iraisam-pirenena ho fiarovana momba ny valan'aretina coronavirus. Mihantona toy izao koa ny fandehanana any ivelany ho an'ireo Atleta isan-tsokajiny. Raha misy antony manokana dia azo jerana ireo fepetra tsy maintsy ho raisina.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 04 mars 2020 21:47
    • Sary nindramina

    Kitra – « Coupe Arabe U20 »: Lasan’i Sénégal ny amboara

    Lavon’ny Sénégal tamin’ny isa 1 no 0 i Tonizia, tamin’ny lalao famaranana ny « Coupe Arabe U20 » tany Arabia Saodita, androany, baolina matin’i Samba Diallo. Lasan’i Sénégal ny amboara, i Sénégal izay sambany nandray anjara tamin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity. Niisa 16 ireo ekipam-pirenena nandray anjara tamin’ity « Coupe Arabe U20 » ity, anisany ny Barea an’i Madagasikara. Tsy nahadingana ny fifanintsanam-bondrona ny Barea tamin’ireo lalao telo vitany, nahazoany fandresena iray nanoloana an’i Djibouti, ary faharesena roa nanoloana an’i Maroc sy Bahreïn. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 04 mars 2020 19:27
    • Sary nindramina

    Kianja Stadium - Toamasina: Manana 10 andro hanarenana ny lesoka raha te hampiantrano ny lalaon’ny Barea sy Côte d’Ivoire

    Tonga teto Toamasina, androany alarobia 4 martsa 2020, ny solontenan’ny Kaonfederasiona Afrikana momba ny baolina kitra na ny CAF, nijery ny ho fanomezana fahazoan-dalana ny ahafahan'ny Stadium Mangarano mandray lalao iraisam-pirenena, eo amin'ny lalao miverina hifanandrinan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d'Ivoire ny 31 marsa 2020. Tsy nahafa-po azy ireo ny zavatra hitany ka nomena folo andro ny eto Toamasina hanarenana izany raha te hahazo ny lalao i Toamasina, isan'izany ny fanesorana ireo mpivarotra eo am-pidirana ny Stadium. Kendrena hafindra ao Mangarano II izy ireo, ny efa ao an-toerana anefa mitaraina amin'ny tsy filaminana.
    Lire la suite ...
    • mardi, 03 mars 2020 18:26
    • Sary nindramina

    Jory Hira Lemoine: Mpilalao voalohany nila ravinahitra tany ivelany mandrafitra ny « Kintana FC »

    Mpilalao malagasy renioney i Jory Hira Lemoine. Izy no mpilalao voalohany nila ravinahitra tany ivelany ka mandrafitra ny klioba Kintana FC tarihin’i Lova Ramisamanana. Efa tao amin’ny Paris Saint Germain (PSG) any Frantsa izy hatraminy U17. Nifindra tao amin’ny Toeram-panofanana kitra an’ny US Orléans nandritra ny telo taona, avy eo dia nilalao tao amin’ny BDX (DH) izy.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 février 2020 22:43
    • Sary nindramina

    Kitra: Tena mbola liana amin’i Arnaud ny klioban’ny Grenoble (Frantsa)

    Nanamafy i Hakim Aibeche, mpanazatran'ny Grenoble B any Frantsa, fa tena mbola liana amin'i Arnaud Randrianantenaina izy ireo. Nambaran’ity mpanazatra ity fa mila lohalaharana mahavita mamono baolina 15 ka hatramin’ny 20 isa mandritran'ny taom-pilalaovana iray ny klioba, ka izany no anisany mahasarika azy ireo amin’i Arnaud. Nampiakatra ny lentan’ny fahaizan’i Arnaud ny fandraisany anjara tamin’ny « Coupe Arabe U20 » tany Ryad Arabia Saodita, na dia tsy nandingana ny fifanintsanam-bondrona aza ny Barea U20.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 février 2020 13:54
    • Tahirin-tsary

    Complexe sportif Ampisikina Mahajanga: ONG Tafita any Antananarivo no mitantana azy

    Manomboka mampiaka-peo ny tanora eto Mahajanga, satria narodana ny Gymnase fanaovana fanatanjahan-tena, hananganana vaovao, nefa ny asa hatreto tsy misy miainga. Ilay Complexe sportif etsy Ampasikina anefa dia andoavam-bola, ka 30 000ariary ny manao basket mandritra ny 1ora. Ary mbola ONG Tafita any Antananarivo no miandraikitra izany. Ity Complexe sportif ity moa hatrany ampiandohana dia efa nisy olana, satria tao anatin'ny herin'andro monja dia niova anarana in-telo izy tamin'ny volana janoary 2016. Tamin'ny voalohany dia "Gymnase Municipal de Mahajanga" ny soratra teo, dia nosoloina "Gymnase olympique de Mahajanga" niaraka tamin'ireo famatarana anneaux olympiques, izay misy fepetra ny fampiasana azy ireny, dia niova indray ho "Complexe sportif de Mahajanga", ary nafenina tao ambadiky ny sainam-pirenena ireo anneaux olympique ireo rehefa natao ny fitokanana azy.
    Lire la suite ...
    • lundi, 24 février 2020 20:39
    • Sary: MJS

    Judo - "Open International de La Réunion": Nandrombaka medaly 11 ny solontena Malagasy

    Volamena miisa 5, volafotsy 2 ary alimo 4 ; nandrombaka medaly 11 ireo solontena Malagasy nifaninana tamin’ny "Open International de La Réunion" teo amin’ny taranja judo natao tatsy amin'ny nosy rahavavy La Réunion. Tsara ny vokatra. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 23 février 2020 17:54
    • Sary nindramina

    Kitra – « Coupe Arabe U20 »: Maroc 2 – 1 Madagasikara

    Resin’i Maroc tamin’ny isa 2 noho 1 i Madagasikara androany, tamin’ny lalao fifanintsanam-bondrona atrehiny amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena « Coupe Arabe U20 » atao any Arabia Saodita. Nirava ady sahala 0 noho 0 ny ekipa roa tonta teo ampialan-tsasatra. Nitarika an’isa ny Maraokana teo amin’ny minitra faha-50 ny fizarana faharoa. Nosalahain’i Arnaud, kapiteny, ny isa teo amin’ny faha-75 minitra. Nahazo penalty i Maroc minitra vitsy tsy hifaranan’ny lalao ary tafiditra ny baolina ka nitondra ny fandresena ho an-dry zareo Maraokana. Fandresena iray nanoloana an’i Djibouti, ary faharesena roa nanoloana an’i Bahreïn sy Maroc no vokatra azon’ny Barea U20 tamin’ireo lalao telo nataony tamin’ity « Coupe Arabe U20 », vokatra izay tsy ampy hanohizany ny dia. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 22 février 2020 23:04
    • Sary nindramina

    Volley – Tompondakan’ny faritra faha-7: Norombahan’ny Tampon Gecko Volley sy ny Quatre Borne ny anaram-boninahitra

    Lavo teo amin’ny lalao famaranana ireo solontena malagasy teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy tamin’ny andiany faha-26 amin’ny fiadiana ny tompondakan’ny faritra faha-7 isan-tarika natao androany. Teo amin’ny sokajy lehilahy dia resin’ny Tampon Gecko Volley avy atsy La Réunion tamin’ny seta 3 noho 2 ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena na GNVB Madagascar teo amin’ny famaranana. Teo amin’ny sokajy vehivavy indray dia voahosotra ho tompon-daka ny Quatre Borne avy atsy Maorisy rehefa nanamontsana ny Stef'Auto Madagascar tamin’ny seta 3 noho 0. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 4 sur 73