Sport

    • samedi, 14 novembre 2020 09:26

    Kitra-Fifanintsanana CAN : Higadona anio ny Barea ary hiazo an’i Toamasina avy hatrany

    Ho tonga eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny tolakandron’ny sabotsy 14 novambra ny Barea an’i Madagasikara, taorian’ny lalao mandroso nihaonany tamin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny alakamisy 12 novambra. Tsy hiala ao amin’ny faritry ny seranana ireo mpilalao, fa vao migadona dia handray fiaramanidina manokana hitondra azy ireo avy hatrany hiazo an’i Toamasina, hanomana ny fiatrehana ny lalao miverina amin’i Côte d’Ivoire ny talata 17 novambra ho avy izao, ao amin’ny Stadium Barikadimy. Niondrika an’isa 2 noho 1 ny Barea tamin’iny lalao mandroso iny, izay tafiditra amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana tapakila ho amin’ny CAN hatao any Cameroun.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 novembre 2020 09:36
    • Sary nindramina

    Kitra-Fifanintsanana CAN 2021 : Anio ny lalao mandroso hihaonan’i Madagasikara sy Côte d’Ivoire

    Hotanterahina anio 12 novambra ao amin’ny Kianja Alassane Ouatara, Abidjan, ny lalao mandroso ifanandrinan’ny Barea an’i Madagasikara amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Tafiditra amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hahazoana ny tapakila ho amin’ny dingana famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, na CAN 2021, hatao any Cameroun ity lalao anio ity. Vonona ary tony dia tony ny Barea hiatrika ny lalao. Mitarika vonjimaika ny Barea, ao amin'ny Vondrona K, misy an'i Madagasikara, Etiopia, Côte d'voire ary Niger. Handeha mivantana amin’ny Televiziona Malagasy ny lalao anio. Amn'ny 7ora hariva, ora aty Madagasikara, no hanomboka ny lalao.
    Lire la suite ...
    • lundi, 09 novembre 2020 12:34

    Kitra-Fifanintsanana CAN 2021 : “Misy ny fahabangana goavana eo amin'ny mpilalaon’ny Barea”, hoy i Nicolas Dupuis

    Hotontosaina ao amin’ny Kianja Alassane Ouatara ao Abidjan ny alakamisy 12 novambra 2020 ny lalao mandroso hifanandrinan’ny Barea an’i Madagasikara amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Amn'ny 7ora hariva, ora aty Madagasikara, no hanomboka ny lalao, izay tafiditra amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila hahatogavana amin’ny dingana famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra, na CAN 2021, izay hotanterahina any Cameroun. Nilaza i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy na Barea fa “misy ny fahabangana goavana eo amin'ny mpilalao (Covid-19), mety ihany koa eo amin'ny fahazoan-dalana”. Na izany aza hoy izy dia mikaro-bahaolana amin'ny fiatrehanay ity lalao ity ny fitondram-panjakana. Tonga omaly ao Abidjan ny delgasiona tarihiny. Nanomana fandraisana sy fitsenana manokana ny delegasiona malagasy ireo Malagasy manorim-ponenana any Côte d'Ivoire.Ny Staff sy ny ankabeazan'ireo mpilalao kosa dia anio hariva no tonga ao Abidjan. Manomboka rahampitso sy ny alarobia ny fanazarantenan’ny Barea ao amin'ny Kianja Alassane Ouatara.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 06 novembre 2020 21:52

    Kitra - Fifanintsanana CAN Total Cameroun 2021 : Tsy atrehi-maso ny lalao mandroso sy miverina ifanandrinan’ny Barea sy ny Elefanta

    Nanapa-kevitra ny CAF fa hatao "à huit clos" ary tsy hasiana mpijery ny lalao rehetra mahakasika ny fifanintsanana CAN Total Cameroun 2021 hatao noho ny toe-javatra ara-pahasalamana mitranga ankehitriny vokatry ny Covid-19 sy mba hampirindra tsara ny lafiny ara-piarovana. Ho an’ny Barea sy ny Elefanta, dia hatao any Abidjan Côte d’Ivoire ny 12 novambra ny lalao mandroso, ary ao Toamasina ny lalao miverina eto Madagasikara ny 17 novambra. Hanomboka amin’ny 9 novambra izao ny fampivondronana ireo mpilalao ho an’ny ekipam-pirenena malagasy.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 29 octobre 2020 15:02
    • Sary nindramina

    Ahmad Ahmad : Nirotsaka hofidiana fanindroany ho filohan’ny CAF

    Nanao fanambarana ny alarobia 28 oktobra i Ahmad Ahmad fa kandida hirotsaka hofidiana ho filohan’ny Kaofederasiona afrikana ny baolina kitra na CAF. Ity teratany malagasy ity moa izao no filoha amperinasa, nitondra nandritra ny efa-taona ity vovonan’ny kitra ity aty Afrika. Namoaka fanambarana ny andron'io ihany ny federasiona malagasy ny baolina kitra na FMF, fa manolotra an’i Ahmad Ahmad ho kandida hofidiana filohan’ny CAF. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 29 octobre 2020 12:42
    • Sary nindramina

    Covid-19 Barea vs Côte d’Ivoire : Maniry ny hanemorana ny lalao i Nicolas Dupuis

    Taorian’ny fanambarana natoan’ny filoham-pirenena Frantsay omaly fa miverina amin'ny fihibohana indray ny ao Frantsa, noho ny firongatry ny coronavirus indray. Maneho ny ahiahiny i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra na Barea. Ao Frantsa daholo, hoy izy, ny ankabeazan'ireo mpilalaon’ny Barea no milalao. Miisa 17 be izao izy reo. Mikatona anefa ny sisintany ao Frantsa ankoatra ny firenena Eropeana.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 23 octobre 2020 09:35
    • Sary Nicolas Dupuis

    Barea : Nivoaka ny lisitr’ireo mpilalao nantsoina hiomana amin’ny fihaonana amin’i Côte d’Ivoire

    Nampahafantarin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra na Barea an’i Madagasikara, ireo mpilalao miisa 25 nantsoina hiatrika ny fampivondronana eto Madagasikara. Amin’ireo no hifantenana ireo 23 handrafitra ny ekipam-pirenena izay hikatroka amin’i Côte d’Ivoire, lalao mandroso sy miverina, izay hatao amin’ny novambra 2020. Niantso mpilalao vaovao roa ny mpanazatra, dia Randriamamy Mathias, izay mpiandry harato ao amin’ny PSG sokajy latsaky ny 20 taona, ny iray, ary i Loïc Lapoussin ny faharoa. Milalao any Belzika ity farany ary irakiraka ny toerany. (Sary Nicolas Dupuis) (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 21 octobre 2020 20:19
    • Sary nindramina

    Fampivondronana Barea : Ho fantatra rahampitso ireo 25 mirahalahy voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena

    Nampahafantatra i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea an’i Madagasikara fa ny alakamisy 22 oktobra no hanolorany ny anaran'izy 25 mirahalahy izay voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny fampivondronana amin'ny novambra ho avy io, mialoha ny hiatrehana ny lalao mandroso sy miverina amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 12 octobre 2020 12:25
    • Sary nindramina

    Kitra - Barea vs Etalons du Burkina Faso : Mbola baraingo ny handehan’ny lalao amin’ny TVM

    Ho tanterahina any El Jadida - Maroc anio alatsinainy 12 Oktôbra 2020, amin’ny 7ora alina, ora eto Madagasikara, ny lalao ara-pirahalahiana, tafiditra amin’ny fanomanana ny CAN ifanandrinan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny Etalons - Burkina Faso. Ny fanapahan-kevitra handefasana mivantana na tsia ny lalao dia miankina amin’ny fifanarahana eo amin’ny federasionan’ny Baolina kitra Malagasy sy ry zareo Maraokana, fa tsy miankina velively amin’ny TVM, hoy ny fanambarana nataon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Raha tonga amin’ny fifanarahana dia hafaliana ho an’ny Televiziona Malagasy sy ny ORTM ny mandefa mivantana ny lalao, hoy hatrany ny fanambarana.  (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 12 octobre 2020 11:11

    Kitra : Barea vs Etalons Burkina Faso

    Hotanterahina anio any Maroc ny lalao ara-pirahalahiana hihaonan'ny Barea an'i Madagasikara sy ny Etalons Burkina Faso.  
    Lire la suite ...
Page 2 sur 76