Sport

    • mercredi, 21 octobre 2020 20:19
    • Sary nindramina

    Fampivondronana Barea : Ho fantatra rahampitso ireo 25 mirahalahy voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena

    Nampahafantatra i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea an’i Madagasikara fa ny alakamisy 22 oktobra no hanolorany ny anaran'izy 25 mirahalahy izay voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny fampivondronana amin'ny novambra ho avy io, mialoha ny hiatrehana ny lalao mandroso sy miverina amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 12 octobre 2020 12:25
    • Sary nindramina

    Kitra - Barea vs Etalons du Burkina Faso : Mbola baraingo ny handehan’ny lalao amin’ny TVM

    Ho tanterahina any El Jadida - Maroc anio alatsinainy 12 Oktôbra 2020, amin’ny 7ora alina, ora eto Madagasikara, ny lalao ara-pirahalahiana, tafiditra amin’ny fanomanana ny CAN ifanandrinan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny Etalons - Burkina Faso. Ny fanapahan-kevitra handefasana mivantana na tsia ny lalao dia miankina amin’ny fifanarahana eo amin’ny federasionan’ny Baolina kitra Malagasy sy ry zareo Maraokana, fa tsy miankina velively amin’ny TVM, hoy ny fanambarana nataon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Raha tonga amin’ny fifanarahana dia hafaliana ho an’ny Televiziona Malagasy sy ny ORTM ny mandefa mivantana ny lalao, hoy hatrany ny fanambarana.  (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 12 octobre 2020 11:11

    Kitra : Barea vs Etalons Burkina Faso

    Hotanterahina anio any Maroc ny lalao ara-pirahalahiana hihaonan'ny Barea an'i Madagasikara sy ny Etalons Burkina Faso.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 04 octobre 2020 17:40

    Kitra – Lalao fanomanantena: Ho any Maroc ny Barea, hifampitsapa amin’i Burkina-Faso

    Tsy raikitra ny fihaonana amin’i Ghana fa raikitra ihany indray kosa ny fifampitsapana amin’i Burkina-Faso, araka ny fanazavana nataon’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea momba ireo fanomanantena mandritra ny fampivondronana hatao manomboka ny 5 ka hatramin’ny 13 oktobra 2020 izao. Hanomboka any Luxembourg ny fampivondronana izay homarihina amin’ny lalao ara-pirahalahiana hihaonan’ny Barea aminny Swift Hesperange, klioba diviziona voalohany ao Luxembourg ny zoma 9 oktobra 2020.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 04 octobre 2020 16:38
    • Sary nindramina

    Rosa Rakotozafy: Vehivavy voalohany filohan’ny CIGEPS

    Madagasikara, amin’ny alalan-dRtoa Rosa Rakotozafy, no mitarika ny Comité InterGouvernemental de l'Education Physique et du Sport (CIGEPS) eo anivon’ny UNESCO. Nanohavaozina nandritra ny fivoriana ara-potoana ny 28 sy 29 septambra 2020 teo ny birao.Rosa Rakotozafy no filoha ho an’ny taom-piasana 2020 - 2021.Sambany no nisy filoha vehivavy hatramin’ny 1978 nisian’ny CIGEPS. Mitana andraikitra ambony eo anivon’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena i Rosa Rakotozafy. Tale jeneralin’ny fanatanjahantena ity farany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 03 octobre 2020 18:09
    • Sary nindramina

    Jérôme Mombris: Voamarina fa mitondra Covid-19 taorian’ny fitiliana PCR natao azy

    Namoaka fanambarana ny Grenoble Foot 38, klioba frantsay ilalaovan’i Jérôme Mombris fa mitondra Covid-19 ity farany taorian’ny fitiliana PCR natao azy. Misy mpilalao roa hafa sy mpitantana ny klioba ihany koa voa. Mpilalao isan’ireo nantsoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea an’i Madagasikara, hiatrika ny fampivondronana sy nanao fanomanantena any Luxembourg mialoha ny hiatrehana ireo lalao roa mandroso sy miverina hifandonan’ny Barea amin’ny Elefatan’i Côte d’Ivoire amin’ny volana novambra i Jérôme Mombris. Vodilaharana ao amin’ny Barea izy, isan’ireo nandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy niatrika ny CAN 2019. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 02 octobre 2020 10:07
    • Sary nindramina

    KITRA: QATAR indray no hifanandrina an’ny Black stars Ghana

    Araka ny fanambarana nataon’ny federasionan’ny baolina kitra ghanéanina tamin’ny alalan’ny tatitra ofisialy, dia ny ekipa nasionalin’ny Qatar no hifanandrina aminy ,amin’ny lalao ara-pirahalahiana izay atao any Antalya (Turquie) ny Alatsinainy 12 oktobra ho avy izao. Raha ny fandaharam-potoana izay voaray anefa, dia ny Barea an’ny Madagasikara no hifanandrina amin-dry zareo kintana maintin’ny Ghana amin’io daty io ihany. Mety ho any Maroc indray zany no atao ny lalao, ka hiverina amin'ny ekipan'ny Burkina Be indray no hifanandrinan'ny Barea.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 27 septembre 2020 18:58
    • Sary nindramina

    Kitra – Barea: Naratra nandritra ny fanazarantena i Anicet Abel, kapiteny

    Tsy ho afaka handray anjara amin’ny lalao ara-pirahalahiana hihaonan’ny Barea sy Luxembourg, i Anicet Abel, kapitenin’ny Barea. Naratra nandritra ny fanazaran-tena nataony tao amin'ny klioba izay ilalaovany ity farany. Maharitra eo amin'ny telo herinandro eo ho eo ny fitsaharana tsy ahafahany miakatra eny ambony kianja. Tsy ho eo i Anicet Abel amin'ny fampivondronana izay hatao ao Frantsa amin'ny voalohandohan'ny volana oktobra io. Ho tafaraka amin'i Barea kosa izy amin'ny fihaonana amin'ny Côte d'Ivoire. Noho ny fahatahorana an'ilay Covid-19 no voalaza fa nahatonga ny safidy hanatanterahana ilay fampivondronana any Luxembourg. Sady mahay mandray olona ihany koa, no mampihena ny vola mivoaka avy amin'ny fanjakana Malagasy. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 septembre 2020 21:43

    Kitra – Barea: Tsy ho any Portugal, fa mety ho any Maroc

    Tsy afaka hotanterahina ny lalao ara-pirahalahiana hihaonan’ny Barea amin’ny Etalons Burkina Faso nokasaina hatao any Portugal ny sabotsy 10 oktobra 2020 noho ny firongatry ny valanaretina Covid-19 any amin’ity firenena ity. Lalao fanomanantena izy ity, mialoha ny fifanandrinana in-droa miantoana amin'ny Elefanta Côte d'Ivoire, amin'ny volana novambra 2020, izay tafiditra ao anatin'ny fifanintsanana ny CAN 2021. Ho fantatra amin’ny herinandro ho avy, ny toerana hanaovana io lalao ara-pirahalahiana hifampitsapana amin’i Burkina-Faso io. Misy ny fifampiraharahana amin’ny federasiona any Maroc ny amin’izany. Efa nisy koa anefa ny safidy voalohany ny hiatrehan’ny Barea lalao fanomanantena amina klioba iray any Luxembourg.Hisy ny fampivondronana ireo mpilalao handrafitra ny Barea, hanomboka amin’ny 5 oktobra any Frantsa.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 19 septembre 2020 20:27
    • Sary nindramina

    Spaoro mekanika: Nodimandry i Ratsifandrihamanana Nirina

    Nindaosin’ny fahafatesana androany 19 septambra 2020 teo amin’ny faha-62 taonany i Ratsifandrihamanana Nirina. Injeniera mekanika i Nirina, ary diso fantatra teo amin’ny spaoro mekanika, indrindra ny hazakaza-piarakodia. Ratsifandrihamanana Nirina no zokiolona indrindra nandray anjara tamin’ny fifaninanam-pirenena ny taom-pilalaovana 2019 lasa iny. Fiara Peugeot hatrany no nampiasainy. Niandoha tamin’ny 104 ZS, nandraisany anjara tamin’ny « course de cote » Ankatso ny taona 1992. « Baomba kely » no niantsoany io fiarany io, ary zary anaram-bositra niantsoana an’i Nirina ihany koa. Nirotsaka nanao hazakaza-piarakodia i « Baomba kely » ny taona 1994, ary nitohy hatramin’ny taom-pilalaovana farany teo izany, nahazoany anaram-boninahitra maro. Tao amin’ny klioba FMMSAM (Firaisana Malagasy Mpanao Sport Automobile sy Moto) hatrany izy. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 1 sur 74