Vokatry ny “tiomena” : Rano iray bidon vidiana 2 000 Ariary aty Atsimo

  • vendredi, 08 janvier 2021 10:19
  • Sary nindramina

Voatery manadio vovo isaky ny roa andro ny tompom-bovo noho ny fisian’ny tiomena aty Atsimo.

Misy ireo vovon-drano no simba ka tsy azo ampiasaina intsony noho ny fanesorana fasika matetika loatra izay mampihotsaka ny ao anatiny.

Nisondrotra, noho izany, ny vidin-drano ka sandaina 500-600 Ariary ny eran’ny bidon mavo iray, raha eny an-tanàn-dehibe.
“Mahatratra 2 000 Ariary kosa izany any ambanivohitra raha mahita ho vidiana”, hoy ny mpampita vaovao iray any Ambovombe Androy.

Lasa 6 000 Ariary kosa ny iray barika raha 3 000 Ariary na 4 000 Ariary ny vidiny mahazatra.

Samy hafa amin’ny tiok'atimo ny tiomena, izay tafiotra miendrika tadio lehibe, miaraka amin’ny jofon-tany matevina.
Tombanana ho 15 kilometratra isan’ora ny fikisahany, raha mahatratra 25 ka hatramin’ny 50 kilometatra isan’ora ny an’ny tiok'atimo.

Miainga avy any an-dranomasina (Océan Indien), ary efa mahazatra ny mponina ny tiok'atimo.

Ety amin’ny tany maina kosa no miforona ny tiomena, rehefa ilay manomboka misandratra iny ny andro ka manonga ny maripàna.
Mitsahatra kosa izy rehefa ilay mangatsiatsiaka amin’ny takariva iny.

Heverina ho misy fifandraisany amin’ny maripàna ambony aty Atsimo, izay manafosafo ny 40 degrés Celcius indraindray, noho izany, ny tiomena.

Mahalam-pitranga izy io.

Tamin’ny taona 1987 no anisan’ny nisiany tamin’ny fomba mahery vaika, araka ny fantatra.
Voalaza fa hita avy eny amin’ny zanabolana hatrany Espana mihitsy ny tiomena tamin’izay.
Nanomboka ny 29 oktobra teo ny tiomena tamin’ity indray mitoraka ity ary mbola mitohy hatramin’izao na dia nanorana aza taty Atsimo andro vitsy izay.

Voakasika ny velarantany manodidina ny 200 kilometatra ao andrefan’ny reniranon’i Mandrare, ka hatrany Beloha Androy.
Rakotra ny tanàna sy ny saha manontolo, ka zara raha ifankahitana ny eny an-tokontany sy ny eny an-dalana… eny noho ny hatevin’ny vovoka.

Samy manao cache-bouche tsy miandry ny toromariky ny mpitandro filaminana sy samy manao solomaso ny olona rehefa izay no miseho.

Maro no lasibatry ny aretin’ny taovam-pisefoana sy ny areti-maso noho ny vovoka entin’ny tiomena.

Potika ihany koa ny voly ary maty hatramin’ny raketa izay mitana anjara asa goavana amin’ny fiainan’ny Ntandroy.

Balita Raharisoa

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.