Sosialim-bahoaka: Tsy mahazo « Vatsy Tsinjo » intsony ireo izay efa nahazo « Tosika Fameno »

  • mercredi, 05 août 2020 21:26
  • Sary nindramina

Namory ireo Sefo Fokontany miisa 192 manerana ny Boriboritany 6 eto Antananarivo Renivohitra tao amin’ny Lapan’ny tanàna, ny Governora Analamanga sy Ben’ny tanàna, androany. Niatrika izany koa ireo lehiben’ny Distrika ary ireo Delege.

Nampitaina tamin’izy ireo ny toromarika sy ny hafatry ny Filohan’ny Repoblika ao anatin’izao fiadiana ny valan’aretina coronavirus izao sy ny hetsika « Sosialim-bahoaka ».

Mila mipaka any amin’ny tena sahirana ny fizarana « Vatsy tsinjo ».
Ireo izay efa nahazo « Tosika Fameno » dia tsy mahazo « Vatsy Tsinjo » intsony.

Nohamafisina fa ho hentitra ny fitondram-panjakana amin’ny fanasaziana sy famaizana ireo izay tratra tsy manara-dalàna.
Handraisana fepetra ihany koa ireo mamboly korontana.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.