Malagasy tavela any Inde: Mitalaho, miantso vonjy izy ireo

  • lundi, 03 août 2020 19:07
  • Sary nindramina

Miisa 100 eo ireo Malagasy mihitsoka any Inde, tsy tafody talohan’ny fikatonan’ny sisintany teto Madagasikara ny 19 martsa 2020 misasak’alina. Nitsabo tena ny ankamaroan’ireo miaraka amin’ny olona nanampy nanaraka azy tany, misy mpianatra vita fianarana, ao ireo niofana nanatevim-pahalalana sy traikefa tany Inde, tao New Dehli sy Bombai indrindra indrindra.

Mitalaho, miantso vonjy izy ireo, nanoratra tany amin’ny masoivoho malagasy any Inde sy tamin’ny filohan’ny Repoblika ihany koa mampahafantatra ny zava-misy iainan’izy ireo any Inde, sy miangavy vahaolana hahafahan’izy ireo miverina an-tanindrazana, fa efa lany vatsy, tsy nanampo ny ho tavela maharitra any Inde noho ny fitsaboan-tena natao tany.

Saika aretin’ny voa ny ankamaroany, ka natao grefy ary mbola marefo ara-pahasalamana. Voaroaka tamin’ny trano nitoerany ny sasany.

Efa nisy iray namoy ny ainy, teo ampiandrasana ny fotoana ahafahana mody aty Madagasikara. Maro amin’izy ireo koa no tsy salama noho ny tsy fahampian'ny an-tanana intsony.

Araka ny fantatra dia vonona hiantoka ny saran’ny fodiany izy ireo ary milaza fa vonona ny hanaja ny fepetra ara-pahasalamana amin’ny fihibohana vao tonga eto Madagasikara, ary hanefa ny sazy raha mandika ny fepetra mifanaraka amin’izany izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.