Covid-19: Miazakazaka ny fiakaran'ny valanaretina

  • vendredi, 31 juillet 2020 12:15
  • Sary nomena

Mankasitraka ireo prefesora mpitsabo 4 nanao kajy, niainga tamin'ireo valin'ny fitiliana natao teto Madagasikara.

Raha ny fandalinana natao dia miazakazaka miakatra ny isan'ireo olona voan'ny aretina Covid-19 ka mila fepetra aingana hanakanana ny fihanaky ny valanaretina, manomboka amin'ireo fepetra fanakanana ny fifamindrana toa ny fanaovana takom-bava, fanajana elanelana, fanasana tanana...

Efa manakaiky ny famindrana olona 1 mamindra amin'ny olona 3 ankehitriny, raha tokony ho latsaky ny olona 1 mamindra amin'ny olona 1 ihany no fenitra.

Raha manaja sy entitra amin'ny fepetra tsy fifamindrana, dia mety any amin'ny 16 aogositra any, raha ity kajy ity hatrany, no ho tratra ny taha avo indrindra, na Pic, ka hanomboka hidina ny valanaretina, izay maharitra kokoa ny fidinany noho ny fiakarany. Tombanana tapaky ny volana oktobra any ny taha ambany indrindra.

Ny tena olana dia betsaka ireo olona voa nefa tsy voatily, noho ny havitsian'ny fitiliana. Ary hatreto dia ambony be ny tahan'ireo voa izay voatily satria 41-48% n'ny olona tiliana dia voa avokoa, efa ho atsasany.

Ny fanadihadiana ihany koa dia ahitana fa 25% n'ny olona ihany no manaraka ireo fepetra fiarovana, geste barrière, ka mety mora hianaka amin'ny 80% n'ny mponina ny aretina.

Ny fitsaboana avy hatrany ireo marary any amin'ny CSB II dia mahomby raha voavatsy fitaovana sy fanafody avy hatrany izy ireny.

Raha oharina amin'ny any ivelany, dia mitovitovy ny fitrangan'ny valanaretina eto amintsika, saingy vitsy kokoa ny maty, fa ny fahitana ny fidangan'ny taha, dia mbola misy fivezivezen'ny olona avy aty amin'ny faritra efa voa mandeha any amin'ny faritra mbola tsy nisy, ary tsy voahaja ny geste barrière.

Raha ity fanadihadiana ity dia mbola atahorana ny fiparitahan'ny valanaretina raha milefitra amin'ireo fepetra fanakanana sy fiarovana isika.
Manolo-kevitra ihany koa ity fanadihadiana ity ny anomezana tosika ara-pitaovana sy fanafody ireo CSBII manerana ny Nosy, ary mampita ireo tarehi-marika marina mba ahafahana manara-maso ny fivoaran'ny valanaretina.

Mamerina ny fisaorana ireo Profesora mpitsabo nanome ny fandihadiana nataon'izy ireo.

(Sary notsongaina tao amin'ny fanadihadian'ireo profesora mpitsabo)

Mirary soa e.
Patrick

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.