Malagasy any atsimo: Nomen’ny Amerikana sakafo 8 330 taonina hiatrehana ny maitso ahitra

  • mercredi, 29 juillet 2020 19:29
  • Sary nomena

Sakafo milanja 8 330 taonina no omen’ny fanjakana amerikana ny vahoaka any atsimon'i Madagasikara mandritra ny vanim-potoana maitso ahitra, izay ahiana ho mafy amin’ity indray mitoraka ity.

Olona miisa 350 000, ahitana vehivavy mitondra vohoka sy mampinono miisa 20 500, no hisitraka an’izany fanampiana vonjy aina ara-tsakafo izany.

Ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Maneran-tany, na USAID, no mamatsy vola izao fanampiana ara-tsakafo izao. Efa tonga avokoa ny entana, ary ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Sakafo (na PAM) no hizara ny sakafo amin’ireo ankohonana marefo ao amin'ny faritra Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana ary Vatovavy Fitovinany.

Ireo sakafo ireo dia ampahany amin’ny fandaharanasa fanampiana ara-tsakafo, mitentina 8 tapitrisa dolara, izay vatsian’ny USAID vola, ary niandraiketan’ny PAM ny fahatongavany eto Madagasikara.

Ity fanampiana ara-tsakafo ity dia ahitana ampemba 5 910 taonina, voamaina pois casse jaune 870 taonina, vary misy otrikaina 660 MT, menaka 520 taonina, ary fangarona vovo-katsaka sy soja misy vitamina sy mineraly (CSB+) 370 taonina itsaboana ny tsy fahampian-tsakafo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.