Ady amin'ny Covid-19: Manampy amin'ny fitsinjarana fanafody eo anivon'ireo CSB II ny fikambanana FITIA

  • vendredi, 24 juillet 2020 10:21

Araka ny tati-baovao hita ao amin’ny pejy facebook ny Fiadidiana ny Repoblika dia « manampy ireo mpiasan'ny fahasalamana amin'ny fitsinjarana fanafody eo anivon'ireo CSB II eto Antananarivo sy ny manodidina ny fikambanana FITIA, izay tarihin-dRamatoa Mialy Rajoelina » ho fiaraha-mientana amin'ny ady amin'ny valan'aretina Covid-19.

Fanafody toy ny tambavy CVO, Magne-B6, Vitamine C, Paracétamol, Azithromicyne ary Hydroxychloroquine no tsinjaraina.

« Maimaim-poana avokoa ireo fanafody ireo, ary ny dokotera eny anivon'ireo CSB tsirairay ireo no mamaritra ny fanafody hitsaboana ireo olona izay tonga eny an-toerana », hoy hatrany ny tatitra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.