Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle: Efa-bolana tsy ankiato nitatitra ny fivoaran’ny Covid-19eto Madagasikara

  • jeudi, 23 juillet 2020 12:50
  • Sary nindramina

Mpitondrateny ny Foibem-pibaikoana momba ny Covid-19 i Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle. Efa-bolana tsy ankiato androany izy no nitatitra ny fivoaran’ny coronavirus eto Madagasikara.

Tsy nisy andro fety, na andro alahady, fa teo hatrany ary tsy nitandro hasasarana ity Sojaben’ny sampana fitsaboana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ity, nizara ireo tarehimarika, ny tsara ho fantatra, nanentana ary koa nanome toroheritra.

Zary rakitra diary ao amin’ny Malagasy ny fotoana isan’andro amin’ny iray ora tolakandro ifamotoanana aminy amin’ny haino aman-jery, anaovany tatitra nandritra izay efa-bolana nametrahana ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara izay.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.