Hôpitaly Miaramila Soavinandriana: Marary Covid-19 miisa 29 no tsaboina ao ankehitriny

  • mercredi, 22 juillet 2020 10:34
  • Loharanom-baovao: Ministeran'ny Fiarovam-pirenena

Araka ny fampitam-baovao nataon’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena dia marary mitondra ny tsimokaretina Covid-19 miisa 29 ankehitriny no tsaboina eo anivon'ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana.

« 19 no mampiseho sori-traretina misy fahasarotana ary mampiasa fitaovana fampisefoana » raha ny fanazavana nomen'ny Dokotera Kolonely Tovone Myriame.

Miasa andro aman'alina ireo dokotera miaramila miisa 2 sy mpitsabo mpanampy 4 ary mpikarakara 2 izay mifandimby manara-maso tsy an-kiato ny fivoaran'ny toe-pahasalaman'ireo mararin'ny Covid-19.

Maimaim-poana ny fitsaboana ary ny hôpitaly no miantoka ny fanafody hitsaboana araka izay misy ao aminy. Mandray an-tanana feno sy mitsabo tanteraka ireo mararin'ny Covid-19 ahitana sori-traretina efa misy fahasarotana ity hôpitaly miaramila ity.

(Loharanom-baovao: Ministeran'ny Fiarovam-pirenena)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.