Paierie Générale d’Antananarivo: Nohamafisina ny fahandriam-pahalemana

  • lundi, 20 juillet 2020 20:11
  • Sary nindramina

Nohanatevin’ny Tahirimbolam-panjakana ny isan’ireo Polisy izay misahana ny fahandriam-pahalemana, ny fandraisana, ny fanampiana ary ny fandaminana eny anivon’ny Paierie Générale d’Antananarivo (PGA) amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao.

Ny tanjona dia ny mba hanomezana fahafaham-po ireo Zokiolona sy ny mba ahafahana manaja ireo fihetsika rehetra hanakanana ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19, indrindra fa mandritra ireo dimy andro voalohany ny fizarana fisotroan-dronono, fotoana izay mahabetsaka ny olona.

Marihina fa efa nisy hatramin'ny ela ny fiaraha-miasa eo amin'ny Tahirimbolam-panjakana sy ny Polisy amin'ny fiarovana ny toeram-piasana sy ny fandaminana ihany koa ireo Zokiolona sy ireo mpisitraka.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.