Beraketa – Androy: Raikitra ny fanamboarana tohandrano lehibe hanondraka velarantany 180 ha

  • dimanche, 19 juillet 2020 15:04
  • Sary nomena

Napetraka ny 15 Jolay 2020, tao amin'ny Kaominina Beraketa, Faritra Androy ny vatofototra ho fanombohana ny asa fanamboarana ny tohadrano lehibe, izay hanondraka velarantany mirefy 180 ha.

Telo volana ny faharetan'ny asa, ary mitetim-bidy 800 tapitrisa Ariary ny fanorenana ity tohadrano ity, izay amin'ny alalan'ny fandaharasana Defis eo anivon'ny Ministeran'ny fambolena, fiompiana ary ny jono.

Sompitry ny faritra Androy amin'ny vary sy ireo vokatra hafa ny Kaominina Beraketa. Hamaha ny olana Kere miverimberina aty Androy ny fahavitan’ity tohadrano lehibe ity, sady fanatanterahana ny velirano fahasivy ny Filoham-pirenena, dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Nitarika ny fametrahana ny vatofototra taty an-toerana ny Governoran'ny Faritra Androy, Soja Tsimandilatse Lahimaro sy ireo mpiara-miasa aminy, ary koa ny Talem-paritry ny fambolena, fiompiana ary ny jono aty Androy, ary ireo ekipan'ny Programa Defis.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.