Ady amin’ny Covid-19: Nanolotra « solution hydroalcoolique » ireo mpianatra ho farmasiana eny Ankatso

  • dimanche, 19 juillet 2020 14:15
  • Sary nomena

Tonga teny amin’ny Foibem-pibaikoana ny Covid-19 na CCO Ivato ny sabotsy 18 jolay 2020 ireo mpianatra amin’ny lalampiofanana farmasia eny amin’ny fakiolte sampana fitsaboana Oniversite Antananarivo. Nanolotra « solution hydroalcoolique » 2080 tavoahangy izy ireo, ho anjara biriky hifarimbonana amin’ny ady amin’ny Covid-19.

Vokatra novokarin’ny mpianatra ihany ity natolotr’izy ireo ity.


Nanotrona izany hetsika izany teny Ivato ny Sojaben’ny fakiolte sampana fitsaboana Oniversite Antananarivo, ny mpandrindra ankapobe ny CCO, ny Tale jeneralin’ny « Agence universitaire Francophone AUF », ary mpianatra sy ny mpampianatra.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.