Covid-19: Manandrana ny fampiasana alika hitily izay marary ny pompier de Paris

  • samedi, 04 juillet 2020 15:00
  • Sary nindramina

Resy lahatra ny rehetra fa arakaraky ny mahaingana ny fitiliana ireo mitondra ny tsimokaretina Covid-19 no ahafahana manoka-monina na mitsabo aingana ireny olona voa ireny.

Mananosarotra anefa ny fanaovana fitiliana, ary izay voatily ka tsy mitondra aretina androany, mety rahampitso ihany dia efa misy indray, eny na ireo efa sitrana aza dia mety mbola hiverenany.

Ny cancer na homamiadan'ny nono, prostate, colon dia manampy betsaka ny alika, ary nahitam-bokatra 90% ny fitiliana ataon'ny alika.

Misy karazan'alika tokoa tena manana talenta mamantatra fofona maromaro, ary hainy ny manavaka izany. Efa mahazatra antsika ohatra ny mahita alika mpitsongo dia, izay ampiasain'ny Zandary mitady mpangalatra nandalo teo amin'ny toerana iray, ampiasaina hikaroka vola anaty entana eny amin'ny seranam-piaramanidina, ampiasaina hitady zava-mahadomelina, ampiasaina hitady baomba.

Heverina fa ny Virus dia mampiova ny fofon-katsembohana, ka nozarina ireto alika ireto hifofona ny hatsembohan'olona tratran'ny Covid-19, ary nampianarina ahay anavaka an'izany fofona izany amin'ny an'olona tsy voa. Herinandro dia efa voahofana ireto alika ireto, ary herinandro hafa no anamarinana ny vokatra azo.

Miara-miasa amin'ny dokotera sy veterinera ireto pompier de Paris ireto, ary mitohy ny fanandramana.
Hoy ny lehibeny hoe, tsy misy fatiantoka ny manandrana, ka rehefa tsy mety dia tsy olana, hatreto milaza izy fa misy ny dingana vita.

Manamora ny fitiliana io, satria azo entina eny rehetra eny ny alika, indrindra fa ny centre commercial, ny tsena, ny serana-tsambo, seranam-piaramanidina, ny seranan-damasinina na ireo toerana be olona.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.