Toamasina: Mitohy ny ezaka hamongorana tanteraka ny Covid-19

  • dimanche, 28 juin 2020 14:34
  • Sary nomena

« Aza mandrimandry mbôla managna aretina antsika, satrià mbôla miparitaka ny virus ».

Antitranterin’ny Governora Faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore io hafatra io, na tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, na tamin’izy nandray fitenenana nisolo tena ny CRCO Atsinanana tamin’ny fotoam-panombohana ny asa famendrahana, na campagne de désinfection amin’ny alàlan’ny fanafody VIROKIL.

Atao amin’ireo toerana ifaneraseram-bahoaka rehetra manerana ny Boriborin-tany 05 sy amin’ny kaominina Suburbaine izao famendrahana VIROKIL izao, ary amafisina ny fanentanana sy fitaomana ny vahoaka hihazona ny fitandremana. Ny tanjona dia mba tsy ho varimbariana ny isam-batan’olona fa mbola ao anatiny ady tanteraka i Toamasina sy ny manodidina. Eny fa na dia mihamaro Aza ny isanireo sitrana raha oharina amin’ny marary vaovao.

Marihina fa ny VIROKIL dia fanafody tena mahomby, ampiasain'ireo firenen-dehibe toa an'i Chine sy Korea. Ekipa nahazo fiofanana manokana avy amin'ny BMH sy sehatra hafa manampy isa azy ireo, no hiandraikitra izao ezaka izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.