LA2M Androhibe: Mahavita manao fitiliana Covid-19 manodidina ny 700 isan'andro

  • mardi, 23 juin 2020 16:07
  • Sary nindramina

Notokanana androany maraina tetsy Androhibe-Antananarivo ny LA2M (Laboratoire d'Analyse Médicale de Madagascar) miaraka amin’ny fampitaovana ao anatiny. Nitarika ny lanonana teny an-toerana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, notronin’ny solontenan’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana eto Madagasikara sy ny masoivohon’i Korea Atsimo.

Hanampy amin’ny fitiliana tsimok’aretina Covid-19 ity laboratoara ity, ankoatra ireo efa misy. Mahavita fitiliana manodidina ny 700 isan'andro ity LA2M Androhibe ity.

Fotodrafitrasa efa vita tamin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina ny taona 2018 izy ity, no nasiam-panatsarana sy fampitaovana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.