Kaominina Alakamisy Fenoarivo: Nanamboaran’ny Centre Ketsa trano fivoahana manarapenitra

  • dimanche, 09 février 2020 16:12
  • Sary nomena

Mandray anjara amin'ny fanatrarana ny vina napetraky ny Kaominina amin’ny fitandrovana ny fahasalaman'ny mponina, fahadiovan'ny tanàna sy ny fanafoanana ny fanaovana maloto ankalamanjana ny Centre Ketsa sy ny Association Zazakely Sambatra.

Nisy ny fananganana fotodrafitrasa “trano fivoahana manarapenitra” izay atolotra manokana ho fananana tantanan'ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo, Distrika Antananarivo Atsimondrano, ho mariky ny fiaraha-miasa.

20 ka hatramin’ny 30% ny fianakaviana eto amin’ny faritra Analamanga dia mbola tsy manana toeram-pivoahana any an-tokatranony. Ary 51% ny zaza latsaky ny 5 taona tratran’ny aretim-pivalanana maro samihafa.

Raha hazavaina tsotsotra moa dia anisan’ireo fikambanana nisitraka ilay hetsika “Course solidaire Urgent Run Paris” ny Association Zazakely Sambatra izay nahazoan’ny Centre Ketsa famatsiam-bola ny taona 2018 nahafahany manatanteraka tetik’asa fananganana toearam-pivoahana ao amin’ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo ivotoeran’ny Centre Ketsa.

Misehatra amin'ny lafiny fanabeazana, ny sosialy, ny fahasalamana ary ny fanjarian-tsakafo ny Centre Ketsa. Miompana tanteraka amin'ny fampandrosoana sy ny fampivoarana ireo fianakaviana sy ankizy iahiany ny sahan’asany. Miisa 169 ireo fianakaviana mahazo tombotsoa aminy ary 201 ireo ankizy izay beazina ao ankehitriny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.