Rakotovelomanantsoa Voahary: Laharam-pahamehana ny famatsiana rano fisotro madio ny Malagasy rehetra

  • vendredi, 31 janvier 2020 20:34
  • Sary nindramina

Naverina hitokana ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana, sy ny Fidiovana, nosarahina tamin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Rano ary ny Akoranafo. Rakotovelomanantsoa Voahary no voatendry hitantana ity Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana, sy ny Fidiovana ity, araky ny didim-panjakana laharana 2020-070 nivoaka ny alarobia 29 janoary 2020.

Tontosa omaly teny Faravohitra ny fifamindram-pahefana teo amin’i Christian Ramarolahy, Minisitra mpisolo toerana sy Rakotovelomanantsoa Voahary, Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana, sy ny Fidiovana.

Nambaran’ny Minisitry ny Rano, ny Fidiovana ary ny Fanadiovana fa laharam-pahamehana ny famatsiana rano fisotro madio ny Malagasy rehetra, miainga avy eny anivon'ireo distrika no hametrahana izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.