Ehoala-Tolagnaro: Hentitra ny fanaraha-maso ireo vahiny miditra ny seranana

  • dimanche, 26 janvier 2020 21:59
  • Sary nomena

Nanome baiko ny sampan-draharahara miadidy ny ranomasina na APMF Anosy fa tsy maintsy atao fizahana daholo ny sambo mihantsona, na tsy avy any amin’ny firenena misy an’ilay valanaretina « coronavirus » aza, mba hisorohana ny valan’aretina.

Nanao fanaraha-maso teo anivon’ny seranan-tsambon’i Ehoala Tolagnaro ny avy eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana amin’ny fitsapana hafanana ireo mpizahatany miisa 1020 tonga teto Tolagnaro androany.

Ny sambo MS Artania niainga avy atsy Richards Bay - Afrika Atsimo, hiazo an’i La Réunion no nitondra ireto mpizahatany ireto.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.