Fambolen-kazo: Nisafidy an’Antsoantany ny ministeran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy

  • lundi, 20 janvier 2020 20:20
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Antsirabe faharoa no nosafidian’ny ministeran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy nanaovana ny fambolen-kazo, ho fandraisan’anjara amin’ny famerenana indray ny ala eto Madagasikara, ka ny toeram-pambolena hazo tao Ankofana, Fokontany Antsampanimahazo, Kaominina Antsoantany no nanaovana izany androany alatsinainy 20 janoary 2020.

Tonga taty an-toerana ny Minisitra Naharimamy Lucien Irmah nitarika ny delegasiona avy any amin’ny faritra hafa toa an’i Bongolava sy Itasy, Analamanga sy Vakinankaratra. Nambaran’ny Minisitra fa ankoatry ny fametrahana ho lovan'ny taranaka ny voly hazo dia ho fanoloana ireo hazo ampiasaina amin’ny fanamboarana ireo trano ara-tsosialy izay haorina ao ao amin’ity Kaominina ity ihany koa izao fambolen-kazo izao.

Ao Antsoantany no hanorenana ireo tetikasa “Tanàna vaovao”, handraisana ireo maniry hanorina fiainana vaovao miaraka amin’ny fanjakana ka hipetrahan’ireo olona vonona ho amin’izany, izay ahafahana mamboly sy miompy rehefa tonga ny fotoana hipetrahan’izy ireo eny an-toerana, izay efa misy trano miorina amin’izao fotoana izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.