Fambolen-kazo 2020: Hosantarina eny Tamponketsa Ankazobe amin’ny 19 janoary

  • jeudi, 09 janvier 2020 13:35
  • Sary nomena

Hatao ny 19 janoary 2020 izao ny fanokafana ny fambolen-kazo ho an’ny taona 2020, ka any Tamponketsa Ankazobe no hanatanterahana izany.

Miara-mandrindra ny fanatanterahana azy ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, ary ny Fiadidiana ny Repoblika.

Efa mivonona amin’ity fambolen-kazo ity ihany koa ny foibe iraisam-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra Atsimo Atsinanana, Anosy ary Androy. Zanakazo an-tapitrisany no vokariny amin’ireo tanin-janakazo miisa telo ho fanatanterahana izany, toy ny ao Fanjahira, Kaominina Ifarantsa, Distrikan’i Tolagnaro, misy velarantany 10 hektara, ary efa misy zanakazo 3 tapitrisa vonona.

Misy tanin-janakazo ihany koa ao Mangarivotra ho an’ny Faritra Androy sy Namohora Farafangana ho an’ny Faritra Atsimo Atsinana, izay samy afaka mamokatra zanakazo 5 tapitrisa.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.