Sociale

    • mercredi, 29 avril 2020 15:39
    • Sary nindramina

    Toamasina: Feno fako ny lalan-drano, feno trano miorina eny ambony tatatra

    Lasibatrin'ny ranobe ny faritra maro ato Toamasina renivohitra ary rotsak'orana bitika aza dia efa dibo-drano ny faritra maro. Maro ireo milomano ao anatiny rano maloto, izay hita amin'ny andavan'andro satria ny rano dia tafiditra ao an-trano ary fotoana lava vao midina izany. Mifangaro tanteraka ny loto entin'ny rano satria maro ireo WC tsy manaraka fenitra ary mitsingevana miaraka amin'izay ny diky sy ny maloto isan-karazany. Raha tsorina izany dia miaina ao anatin'ny loto faran'izay mamoa fady ny eto Toamasina, indrindra ny faritra Tanambao 5, Ankirihiry, Andranomadio, Mangarivotra, Tanambao2..... Maro anefa eto Toamasina no mampiasa vovon-drano fisotro ka azo antoka fa feno maloto tafiditra anatin'izy ireny.
    Lire la suite ...
    • mardi, 28 avril 2020 20:18
    • Sary nindramina

    CHU Anosiala: Nahazo fampitaovana avy amin’ny tsara sitrapo ny mpiasa

    Nanolotra akanjo fanaovana amin’ny asa « tenue de travail » 500 isa ho an'ny mpiasan’ny Centre Hospitalier Universitaire Anosiala ny Profesora Blanche Nirina Richard mivady hanampiana hanatsarana ny tolotra ety anivon'ity hopitaly isany itsaboana ireo olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19. Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa teo aloha i Profesora Blanche Nirina Richard. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 26 avril 2020 14:55
    • Sary nindramina

    Tosika Fameno: Tokantrano miisa 189 400 no hisitraka ity fanampiana ity ho an'Antananarivo, Toamasina ary Fianarantsoa

    Notanterahina ny sabotsy 25 aprily 2020 teny amin’ny Lisea teknika Alarobia ny fanombohan’ny fizarana ny vola fanampiana "Tosika Fameno", tohana ara-tsosialy avy amin’ny fanjakana Malagasy sy ny Banky Iraisam-pirenena entina hanampiana ireo tokantrano tena sahirana sy marefo. Tokantrano miisa 189 400 no hisitraka ity fanampiana ity ho an'Antananarivo, Toamasina ary Fianarantsoa. Fokontany miisa 5 ao anatin’ny Boriborintany faha-5 dia Alarobia Amboniloha, Ivandry, Soavimasoandro, Morarano sy Ambodivoanjo no misitraka ity fanampiana ity amin'izao fiandohany izao. Tokantrano miisa 3270 no nisitraka ny fanampiana omaly sabotsy.
    Lire la suite ...
    • samedi, 25 avril 2020 12:44
    • Sary nindramina

    EPP Nanisana: Tonga nizara sakafo masaka ho an’ireo sahirana ny fanakaviambe Bhora

    Tonga nizara sakafo, vary sy laoka, ho an'ireo fianakaviana sahirana napetraka vonjimaika eo amin'ny EPP Nanisana – Antananarivo Renivohitra, ny avy amin'ny fanakaviambe Bhora ny zoma 24 aprily 2020 hariva. Niara-nanolotra sy nizara izany sakafo izany Atoa Hassan Ali Bakhshi, ambasadaoron'i Iran miasa sy monina eto Madagasikara sy Rtoa Naharimamy Lucien Irmah, Minisitry ny mponina, notronin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy, sy ny avy eo amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 24 avril 2020 20:58
    • Sary: MEAH

    "Water Service Point": Natomboka teny Antampon'Itaosy

    Natomboka ny Alakamisy 23 Aprily teny amin'ny Kaominina Itaosy, Distrika Antananarivo Atsimondrano, ny fametrahana siniben-drano amin'ny alalan'ilay tolotra "Water Service Point" izay hampitombo ny tahan'ny famatsiana rano fisotro madio ny mponina. Fokontany 31 eto Antananarivo no hisitraka izany ka siniben-drano miisa 40 manana hadiry hatramin'ny 10m3 no hapetraka. Fiaraha-miasan’ny Ministeran'ny rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana amin'ny Jirama sy ny Unicef ity "Water Service Point" ity. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 21 avril 2020 21:34
    • Photos Fournies

    Covid-Organics: Remède traditionnel amélioré aux vertus curatives et préventives des symptômes du Coronavirus

    Les études scientifiques de l'Institut Malagasy de Recherches Appliqués (IMRA) contre le Covid-19 ont abouti à l'élaboration d'un remède traditionnel amélioré aux vertus curatives et préventives des symptômes du Coronavirus. Il s'agit du Covid-Organics ou Tambavy CVO composé d'Artémisia et de plantes médicinales endémiques à Madagascar. Le Président de la République, accompagné de son épouse, a lancé officiellement le Covid-Organics ce 20 avril 2020 au siège de l'IMRA. Madagascar produit la plus grande quantité et la meilleure qualité d’Artémisia. Cette plante est déjà utilisée dans la lutte contre la malaria et la fièvre. Le Pr Albert Rakoto Ratsimamanga, fondateur de l’IMRA, a été le premier à l’avoir étudiée sur le territoire. Selon le Directeur Général de l'IMRA, Charles Andrianjara, les résultats des premières observations cliniques du Covid-Organics sur des patients atteints du Coronavirus sont encourageants et démontrent une tendance dans son efficacité curative. Au Directeur Général de l'IMRA d'ajouter que les essais thérapeutiques se poursuivent actuellement.
    Lire la suite ...
    • lundi, 20 avril 2020 18:58
    • Sary: Association Fitia officiel

    Mialy Rajoelina: « Misaotra ireo nanampy tamin’ny fikarohana natao momba ny Covid-Organics »

    Naneho fisaorana ireo rehetra nahafoy fotoana, ireo nanetri-tena nanolon-tsaina, ary nanampy tamin’ny fikarohana natao momba ny Covid-Organics i Mialy Rajoelina, vadin’ny filoham-pirenena sady filoha mpanorina ny Association Fitia. « Hiara-handroso ao anatin’ny firaisankina hatrany isika! », hoy izy. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 17 avril 2020 18:43
    • Sary nindramina

    ADY AMIN'NY CORONAVIRUS: Mitondra ny fahitany azy ny Profesora RASAMINDRAKOTROKA Andry

    Ny COVID-19 ity dia karazany vaovao ao anatin’ny Coronavirus mbola tsy nahazo ny olombelona tany aloha, izany hoe tsy mbola nisy olona tonga dia afaka niaro ny tenany (immunité protectrice individuelle) rehefa tonga io tsimokaretina io, torak’izay koa ny mponina na ny sarabambem-bahoaka (immunité protectrice collective na communataire). Izay (i) no maha mafimafy ny fiantraikany amin’ny olona sokajiana ho marefo (noho ny antony maro efa heno hatramin’izay) na dia tokony ohatra ny sery sy ny gripa aza no tokony fisehony mahazatra, sy (ii) ny fiparitahany haingana eo anivon’ny firenena iray sy izao tontolo izao. Ny volana desambra 2019 izy no nanomboka noresahana tany Wuhan-Chine, rehefa tsy hay nafenina intsony, ary nanomboka niparitaka tsikelikely manerana izao tontolo izao.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 17 avril 2020 17:42
    • Sary: Mesupres

    Ankatso: Veloma farany an’i Profesora Rakotomaria Etienne

    Mialohan'ny nametrahana azy eny amin'ny fasam-pianakaviany eny Ivato dia niara-nanome voninahitra ny fanaovam-beloma farany an’i Profesora Rakotomaria Etienne teny amin'ny oniversite Ankatso ny fianakaviamben'ny Ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika, miaraka amin'ireo fivondronamben'ny mpampianatra androany 17 aprily 2020. Nodimandry ny 14 aprily 2020, teo amin’ny faha-80 taonany ny Pr Rakotomaria Etienne, Professeur émérite, Minisitra nisahana ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika ny taona 1986. Nanorina ny Sekoly ambony Polyteknika-Antananarivo tamin'ny taona 1973 sady filohan’ny sekoly tamin'izany andro izany.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 17 avril 2020 17:26
    • Sary nindramina

    Vatsy Tsinjo: Natomboka androany ny fizarana ny anjaran'ny Distrikan’i Lalangina

    « Vatsy Tsinjo » miisa 10 000 no anjaran’ny Distrikan’i Lalangina, Faritra Mahatsiatra Ambony. Nifarimbona tamin’ny fizarana ny Goveronoran’ny Faritra sy ny mpiara-miasa aminy, ny Solombavam-bahoakan’i Lalangina, ny avy ao amin’ny Sampandraharaham-paritry ny Mponina, ny Ben’ny Tanàna, ireo Sefo Fokontany ary ny mpitandro filaminana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 9 sur 222