Sociale

    • lundi, 11 mai 2020 21:01
    • Sary: MENETP

    Covid-19: Nanolotra fanampiana ho an'ireo mpianatra eny anivon'ny EPP ny banky BOA Madagascar

    Arotava miisa 100 000, vary 16 600 kg, tsaramaso 6 600 kg, menaka 416 litatra, ary "pack alimentaire" 4 000 isa, anjara biriky natolotry ny banky BOA Madagascar natao hanohanana ireo « cantines scolaires » ho an'ireo mpianatra eny anivon'ny EPP ho fiatrehana ny valanaretina Covid-19. Nandray ny fanampiana ny Minisitra Andriamanana Rijasoa, izay naneho fankasitrahana ary manantena ny hitohizan'ny fiaraha-miasa eo amin'ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ity banky ity. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 mai 2020 15:12
    • Photos fournies

    Toamasina: Une campagne de dépistage massif a été lancée, avec comme objectif 10 000 tests

    Le Président de la République, Andry Rajoelina, a effectué une descente dans la ville de Toamasina ce jeudi 7 mai 2020. Face aux nombreux cas de contamination au Coronavirus enregistrés dans la Région Atsinanana, une campagne de dépistage massif a été lancée par le Président de la République. L’objectif fixé est de procéder à près de 10 000 tests. Hier, 985 tests PCR ont été effectués à Toamasina dont 598 employés d'Ambatovy et 387 personnes issues de plusieurs quartiers de la Région Atsinanana. Le Chef de l'État a assisté au dépistage qui s’est déroulé à l’esplanade de l’Hôtel de ville de Toamasina.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 mai 2020 15:10
    • Sary nindramina

    Vatsy Tsinjo: Mitontaly 290 000 no nozaraina tamin'ireo Faritra telo voakasiky ny Covid 19

    Vatsy Tsinjo miisa 225 000 no nozaraina ho an'ny Faritra Analamanga, 30 000 ho an'Atsinanana ary 35 000 ho an'i Matsiatra Ambony. Mitontaly 290 000 ny Vatsy Tsinjo nozaraina tamin'ireo Faritra telo voakasiky ny Covid 19 ireo. Nofaranana tao amin'ny Distrikan'i Lalangina ny 06 may 2020 ny fizarana ireo Vatsy Tsinjo sy Tambavy CVO ho an'i Matsiatra Ambony. Mpirotsaka an-tsitrapo miisa 425, izay ahitana mpiasam-panjakana, mpitandro filaminana, mpiasan'ny Office Régional de la Nutrition (ORN) ary mpitaona entana no nifarimbona nizara isan-tokantrano, nitety tanàna, notarihin’ny Governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony. Teo ihany koa ny orinasa tsy miankina amin'ny fanjakana sy olon-tsotra izay nanolotra fanampiana nampiarahana tamin'ny Vatsy Tsinjo ho an'ireo fianakaviana marefo.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 05 mai 2020 21:37
    • Sary nindramina

    Ambovombe Androy: Napetraka androany ny vato fehizoro ny asa fanombohana ny tsena manarapenitra

    Lanonana maro sosona no tontosa teto Ambovombe Androy androany 05 mey 2020. Tontosa androany ny fametrahana ny vato fehizoro ny asa fanombohana ny tsena manarapenitra eto Berary. Nisy koa ny fametrahana vato fehizoro ny asa fanombohana ny lalana rarivato mirefy 2,5km eto an-tampotanana Ambovombe, ka ny ampahany voalohany dia mankany amin’ny tsena manarapenitra, ny faharoa miazo ny kianja manarapenitra, ary mankany amin’ny Toby Mahavelo ny ampahan-dalana fahatelo. Nisy koa androany ny fanolorana fanampiana ho an’ireo olona nafindra avy eny Berary, toerana hanorenana tsena manarapenitra, ka notolorana fanitso, fantsika ary hazo hanamboarany trano ny olona voakasik’izany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 05 mai 2020 20:03

    Fampianarana ambony: Vinavinaina hanomboka amin'ny 8 jolay 2020 ny taom-pianarana vaovao

    Amin'ny alalan'ny fampianarana ampitain-davitra sy fizarana « polycopie » ho an'ny mpianatra no hamitana ny fampianarana tsy mbola vita tamin'ny taom-pianarana 2018-2019. Tsy mbola misy ny fampianarana anaty efitrano fianarana. Anisany tapaka ireo nandritra COPRIES (Conférence des Présidents et des recteurs d'institutions de l'Enseignement supérieur) tamin’ny visioconférence notanterahana ny 4 mey 2020, niarahan'ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika tamin'ireo filohan'ny oniversitem-panjakana sy Tale jeneralin'ny IST (Institut Supérieur de Technologie). Fivoriana nandinihana ny toe-java-misy sy ny fiainan'ny oniversite rehetra ao anatin'izao fiatrehana ny fihibohana izao.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 29 avril 2020 16:53
    • Sary: MICA

    Amoron'i Mania: Mpanao asatanana no manjaitra ny aro-tava ho an'ny mpianatra ato amin'ny Faritra

    Tokantrano mivelona amin’ny asatanana miisa 40, manana ny karatra maha matihanina, no natolotry ny Sampandraharaham-paritry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana Amoron'i Mania, ka nisitraka ny fanjairana aro-tava manaja ny fenitra, 100 000 isa ho an'ny mpianatra ato amin'ny Faritra, ho fisorohana amin'ny tsimokaretina Covid-19. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 29 avril 2020 15:39
    • Sary nindramina

    Toamasina: Feno fako ny lalan-drano, feno trano miorina eny ambony tatatra

    Lasibatrin'ny ranobe ny faritra maro ato Toamasina renivohitra ary rotsak'orana bitika aza dia efa dibo-drano ny faritra maro. Maro ireo milomano ao anatiny rano maloto, izay hita amin'ny andavan'andro satria ny rano dia tafiditra ao an-trano ary fotoana lava vao midina izany. Mifangaro tanteraka ny loto entin'ny rano satria maro ireo WC tsy manaraka fenitra ary mitsingevana miaraka amin'izay ny diky sy ny maloto isan-karazany. Raha tsorina izany dia miaina ao anatin'ny loto faran'izay mamoa fady ny eto Toamasina, indrindra ny faritra Tanambao 5, Ankirihiry, Andranomadio, Mangarivotra, Tanambao2..... Maro anefa eto Toamasina no mampiasa vovon-drano fisotro ka azo antoka fa feno maloto tafiditra anatin'izy ireny.
    Lire la suite ...
    • mardi, 28 avril 2020 20:18
    • Sary nindramina

    CHU Anosiala: Nahazo fampitaovana avy amin’ny tsara sitrapo ny mpiasa

    Nanolotra akanjo fanaovana amin’ny asa « tenue de travail » 500 isa ho an'ny mpiasan’ny Centre Hospitalier Universitaire Anosiala ny Profesora Blanche Nirina Richard mivady hanampiana hanatsarana ny tolotra ety anivon'ity hopitaly isany itsaboana ireo olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19. Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa teo aloha i Profesora Blanche Nirina Richard. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 26 avril 2020 14:55
    • Sary nindramina

    Tosika Fameno: Tokantrano miisa 189 400 no hisitraka ity fanampiana ity ho an'Antananarivo, Toamasina ary Fianarantsoa

    Notanterahina ny sabotsy 25 aprily 2020 teny amin’ny Lisea teknika Alarobia ny fanombohan’ny fizarana ny vola fanampiana "Tosika Fameno", tohana ara-tsosialy avy amin’ny fanjakana Malagasy sy ny Banky Iraisam-pirenena entina hanampiana ireo tokantrano tena sahirana sy marefo. Tokantrano miisa 189 400 no hisitraka ity fanampiana ity ho an'Antananarivo, Toamasina ary Fianarantsoa. Fokontany miisa 5 ao anatin’ny Boriborintany faha-5 dia Alarobia Amboniloha, Ivandry, Soavimasoandro, Morarano sy Ambodivoanjo no misitraka ity fanampiana ity amin'izao fiandohany izao. Tokantrano miisa 3270 no nisitraka ny fanampiana omaly sabotsy.
    Lire la suite ...
    • samedi, 25 avril 2020 12:44
    • Sary nindramina

    EPP Nanisana: Tonga nizara sakafo masaka ho an’ireo sahirana ny fanakaviambe Bhora

    Tonga nizara sakafo, vary sy laoka, ho an'ireo fianakaviana sahirana napetraka vonjimaika eo amin'ny EPP Nanisana – Antananarivo Renivohitra, ny avy amin'ny fanakaviambe Bhora ny zoma 24 aprily 2020 hariva. Niara-nanolotra sy nizara izany sakafo izany Atoa Hassan Ali Bakhshi, ambasadaoron'i Iran miasa sy monina eto Madagasikara sy Rtoa Naharimamy Lucien Irmah, Minisitry ny mponina, notronin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy, sy ny avy eo amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 8 sur 222