Sociale

    • dimanche, 21 juin 2020 12:33
    • Sary: Polisim-pirenena

    Fetin'ny Ray: Nahatsiaro ireo zaza kamboty ao amin’ny Akany Ambatolampy ny Polisim-pirenena

    Tonga tao amin’ny Akany Ambatolampy nitondra fanomezana ho an'ireo zaza kamboty beazina ao ireo lehiben'ny Polisim-pirenena izay notarihin'ny Minisitry ny filaminam-bahoaka CGP Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys amin’izao andro fankalazana ny fetin'ny Ray izao ho fanehoana fa manana Ray aman-dreny mitaiza izy ireo na dia lavitry ny fianakaviana aza. Nahazo bodofotsy sy vary ary arendrina avy any amin'ny Ministeran'ny filaminam-bahoaka izy ireo. Nitondra fanampiana toy ny sakafo sy akanjo ary kojakoja maro samihafa (savony, koveta,...) hanampiana ny ankizy amin'ny fiainany andavan'andro ihany koa ireo mpiara-miasa hafa toy ny FIVAPOVA avy ao amin'ny Commissariat Central. Tao ihany koa ny sampana "Soatia" izay nanome "Masque" miisa 200 sy lamba firakotra miisa 30. Ankoatra izay dia nanome baolina basket sy foot ihany koa ny depiote voafidy tao Ambatolampy. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo tamin'ireo ankizy miisa 69 moa ny lanonana.    
    Lire la suite ...
    • dimanche, 21 juin 2020 11:51
    • Sary: Ministeran’ny Mponina

    Vehivavy avy any Koweït: Notolorana "kits de dignité" teny Ambatomirahavavy ampihiboahana azy ireo

    Nitohy ny fandraisana an-tanana ny fanaraha-maso sy fanadihadiana ireo vehivavy Malagasy miisa 176 nody an-tanindrazana avy any Koweït izay napetraka ao amin’ny « Domaine St François » sy teny amin'ny « La Villa Verte » samy eny Ambatomirahavavy. Notolorana "kits de dignité" misy ireo kojakoja ilaina amin’ny fidiovana sy fahadiovana izy 176 mirahavavy, izay fiaraha-miasa teo amin'ny Minisiteran'ny Mponina, ny Fiarovana ara-tsosialy sy ny Fampiroboroboana ny Vehivavy sy ny UNFPA (Fonds des Nations Unies pour la Population), OIT (Organisation Internationale du Travail) ary ny OIM (Organisation Internationale pour les Migrations). (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 19 juin 2020 12:40
    • Photos fournies

    Pharmacie: L’usine «Pharmalagasy» bientôt sur pied

    100 tonnes de matériels derniers cris ont été acheminés spécialement par avion-cargo afin d’équiper la nouvelle usine pharmaceutique « Pharmalagasy » afin de produire localement et à grande échelle les médicaments dont les Malagasy auront besoin, notamment dans la lutte contre la pandémie du Covid-19. Ce 18 juin 2020, le Président Andry Rajoelina a réceptionné officiellement ces équipements à l’aéroport de la BANI Ivato. Le CVO+ sera l’un des premiers médicaments qui sera élaboré dans l’usine « Pharmalagasy ». Il s’agira d’un médicament, sous forme de gélule, à base de la plante artémesia dont les vertus curatives et préventives contre le coronavirus ont déjà porté leurs fruits grâce au remède traditionnel amélioré Tambavy CVO. L’élaboration de la formule du CVO+ est issue des travaux de recherches des scientifiques malagasy qui ont travaillé étroitement avec des scientifiques étrangers.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 10 juin 2020 20:34
    • Sary: Sénat de Madagascar

    Madagasikara: Tsy afaka misitraka rano fisotro madio ny 57%n’ny mponina

    Nanatanteraka famelabelaran-kevitra narahina adihevitra teo anivon’ny Antenimierandoholona ny “WaterAid” androany alarobia 10 jona 2020. Fiarahamonim-pirenena miandraikitra ny rano “WaterAid” izay vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola no mifanohana amin’ny “Organisation de la Société Civile pour l’Eau Assainissement-Hygiène”. Nandritra famelabelarana izay nataon'ny tompon’andraikitra ao amin’ny « WaterAid » no nilaza fa 95%n’ny malagasy no manana olana amin’ny fisitrahana rano ho fanadiovana sy fidiovana. Amin’izao fipariahan’ny valanaretina izao anefa dia ny fanasàna tànana amin’ny rano sy savony no vahaolana voalohany entina hanakànana izany.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 10 juin 2020 11:04
    • Sary nomena

    Toamasina, Ady amin’ny Covid-19: Manao tohivakana ny tati-bitsika sy fanomezan-tànana

    Mbola manao tohivakana ny tati-bitsika sy fanomezan-tànana ataon’ny sehatra tsy miankina sy fiarahamonim-pirenena. Anisan’izany ny fikambanana SAKATOVO sy ny MASÖVA ANTSIGNANANA. Ny natolotra: Pulvérisateurs 16l miisa 25; savony 50 baoritra amin’ny 12 isa ; arotava 50; gilet miisa 25. Marihina fa ireto fikambanana ireto dia ivondronan’ireo zanaky ny faritra Atsinanana mila ravinahitra sy miely any Antananarivo sy ny manodidina.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 07 juin 2020 16:41
    • Sary nindramina

    Toamasina: Nizara voninkazo ho an'ireo Reny, sy arotava ho an'ny olom-pirenena ireo vehivavy mpitandro filaminana

    Nanolotra voninkazo ho an'ireo renim-pianakaviana teto Toamasina ireo vehivahy mpitandro ny filaminana amin'izao fankalazana ny fetin'ny reny izao, ary arotava ho an'ireo olom-pirenena ho fiarovana azy ireo amin'ilay valan'aretina Covid-19. Nialoha io hetsika nitetezana tanàna io dia nahazo anjara voninkazo sy arotava ho azy ireo teo anoloan'ny Lapan'ny tanànan’i Toamasina ny lehilahy ao amin’ny Tafika, Zandary sy Pôlisy. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 05 juin 2020 15:29
    • Ministère de l’Economie et des Finances

    Administration pénitentiaire: 20 milliards d’Ariary de l’Agence Française de Développement

    La France par le biais de l’Agence Française de Développement a octroyé au Gouvernement Malagasy, à travers le ministère de la Justice, un financement de 5 millions d’euros (20 milliards d’Ariary). Entrant dans le cadre du projet d’appui au secteur pénitentiaire, la convention a été signée ce jeudi 04 juin au ministère de l’Economie et des Finances, entre le ministre Richard Randriamandrato et l’Ambassadeur de France à Madagascar Christophe Bouchard. D’une durée de 5 ans, ce projet comporte deux composantes, dont la première, d’un montant de 4,5 millions d’euros, est destinée au financement des projets mis en œuvre par des organisations de la société civile (OSC) après un appel à projet à lancer par le ministère de la Justice à l’endroit de ces OSC pour les besoins essentiels de l’administration pénitentiaire.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 31 mai 2020 19:43
    • Sary nindramina

    Fiarahamonina: Mifoka sigara ny 8,9% ny zaza 13-15 taona

    Ankalazana 31 May ny Andro iraisam-pirenena tsy ifohana sigara sy tsy ihinanana paraky. "Ny tanora no hoavin'ny firenena" no lohahevitry ny fankalazaina amin’ity taona 2020 ity. Araka ny valin'ny fanadihadiana nataon'ny "OMS" tamin'ny taona 2008, ny 19,83% ny zaza 13-15 taona no mifoka sigara. Noho ny ezaka nataon'ny Fitondram-panjakana dia nidina ho 8,9% izany amin'izao taona 2020 izao. Anisan'ny paikady nentina tamin'izany ny fanentanana maro isan-karazany amin'ny alalan'ny afisy sy ny haino aman-jery, ny "avertissement sanitaire" hita amin'ny fonon-tsigara ireny.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 29 mai 2020 08:24
    • Sary nomena

    Covid-19 Toamasina: Tonga ireo fitaovana sy fanafody fanampiny

    Tsy mitsaha-miakatra ny isan'ny mitondra ny tsimok'aretina Covid-19 aty Toamasina, ka hiadiana amin'izay, araka ny fampanantenan'ny Filoha Andry Nirina RAJOELINA tamin'ny fandalovany farany teto an-drenivohitra Betsimisaraka dia ilaina ny fampitaovana mahampy. Ankoatr'ireo fitaovana sy fanafody tonga hatramin'izay, dia nisy ny sidina TSARADIA Cargo ny Alakamisy 28 may folakandro, nitefa tao Ambalamanasy, nitondra fitaovana maro:
    Lire la suite ...
    • vendredi, 29 mai 2020 07:50
    • Sary nindramina

    DRENETP Matsiatra Ambony: Mpampianatra FRAM miisa 350 noraisina ho mpiasam-panjakana raikitra

    Notanterahina tao amin’ny Lapan’ny Faritra Matsiatra Ambony ny alakamisy 28 may 2020 ny fanolorana ny Contrat de Travail, handraisana ho mpiasam-panjakana raikitra ireo Mpampianatra FRAM miisa 350 eto anivon’ny Faritra, ho fanalana fahasahiranana ireo ray aman-drenin’ny Mpianatra, ary indrindra ho fitsinjovana ny fanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 6 sur 222