Sociale

    • samedi, 05 septembre 2020 14:33
    • Sary nomena

    Famongorana ny tazomoka: Ampiasaina ny teknôlôjia ho fizaram-baovao haingana kokoa

    Nanolotra tablette miisa 65 ho an’ny fanjakana malagasy ny Tetikasan’ny Filoham-pirenena Miady amin’ny Tazomoka (PMI) sy ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) hamongorana ny tazomoka any amin'ny distrikan'Antsirabe II sy Antsiranana I. Hozaraina amin’ny sampandraharahan’ny fahasalamana sy ny tobim-pahasalamana any amin’ny distrika ireo tablette novatsian’ny governemanta amerikana ireo.
    Lire la suite ...
    • samedi, 05 septembre 2020 13:50
    • Tahirin-tsary nindramina fanehoana

    Ala atsinanana: Hidonaka indray ato ho ato

    Izay tsy sempotry ny coronavirus dia ho sempotry ny doro tavy indray kelikely eo. Hidolovoka afaka fotoana fohy ny ala atsinanana, hoy ny mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana any an-toerana. Voakasika hatramin’ny faritra arovana sy ireo valan-javaboary mitahiry harena sarobidy ho an’ny zanak’olombelona. Ao anatin’ny fanaovana tavy sy ny tevy ala ny mponina any amin’ny distrikan’i Marolambo, Mahanoro, Antanambao Manampontsy, Vatomandry, Anosibe An’ala, Brickaville, Toamasina II, Fenoarivo Atsinanana, Soanierana Ivongo, Vavatenina, Moramanga, Ambatondrazaka, Andilamena, Maroantsetra… ankehitriny.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 août 2020 22:02
    • Sary nindramina

    Tantsoroka Covid-19: Nanome tohana ho an'ireo beantitra sy ireo manan-janaka « autiste » ao Moramanga

    Nanome tohana ara-tsakafo ho an'ireo beantitra ao Moramanga, androany ny hetsika Tantsoroka Covid-19. Nisitraka tohana ihany koa ireo fianakaviana manana zanaka « autiste » ao an-toerana. Hetsiky ny fiarahamonim-pirenena ny « Tantsoroka Covid-19 » entina hanaovana Tantsoroka ireo mpitsabo sy vondron'olona tena marefo manoloana ny valanaretina coronavirus. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 25 août 2020 22:11
    • Sary nindramina

    Alaotra-Mangoro: Miverina misokatra ny lalana rehetra

    Namoaka didim-pitondrana manambara ny fiverenan’ny fitateran’olona manerana ny faritra Alaotra-Mangoro ny lehiben’ny fileovan’Ambatondrazaka (préfet), Rahajavololona Nirintsoa Harinandrasana, ny talata faha-25 aogositra. Miverina miasa ny fitaterana iombonana amin’ireto zotra manaraka ireto : - zotra rezionaly Moramanga-Vohidiala, Ambatondrazaka-Andilamena, Ambatondrazaka-Amparafaravola ary Amparafaravola-Andilamena;- zone suburbaine mampitohy ny renivohitry ny distrika dimy sy ireo tanàna manodidina azy. Tsy maintsy ao anatin’ny fanarahana an-tsakany sy an-davany ny fepetra ara-pahasalamana anefa izany ary ho hentitra ny fisavàna sy ny fanarahamaso.
    Lire la suite ...
    • samedi, 22 août 2020 11:47
    • Sary nindramina

    Moramanga: Hidina 50% avokoa ny vidin-drano amin'ireo paompy sy fanasan-damba iombonana

    Manomboka ny Sabotsy 22 Aogositra 2020 izao dia hidina 50% avokoa ny vidin-drano amin'ireo bornes fontaine sy bassin fanasan-damba rehetra eto an-tampontanan'i Moramanga. Nandritra ny fandalovan'ny minisitry ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana, Rakotovelomanantsoa Voahary taty Moramanga ny herinandro lasa teo no nanomezany toky ny hanampiana ny vahoakan'i Moramanga izay mividy rano mandritra izao fihibohana noho ny fisian'ny valanaretina Covid-19 izao.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 19 août 2020 20:02
    • Sary nindramina

    Hetsika firaisankina: Naneho izay ry rasazy sy ireo Paramedy

    Nanomboka androany, ary hitohy hatramin’ny zoma izao, ny telo andro hanaovan-dry rasazy sy ireo Paramedy hetsika firaisankina sy fisaonana ho an’ireo namany namoy ny ainy sy iadiana amin’ny herisetra toy ny tifitra, fanolanana, fakana ankeriny mianjady amin’izy ireo, indrindra ireo Paramedy miasa any ambanivohitra. Saika nanerana ny Nosy no nanamarika izany androany, manaraka ny lamina sendikaly.
    Lire la suite ...
    • mardi, 18 août 2020 22:29
    • Sary nindramina

    Faha-52 taona ny FJKM: Nanolotra fanomezana ho an’ny Akany Avoko Faravohitra ny fianakaviana Marc Ravalomanana

    Mankalaza ny faha-52 taona nijoroany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM. Endrika samihafa no nankalazan’ny Fiangonana sy ny mpino FJKM izany androany. Teo ny fanompoam-pivavahana ny saika isam-pitandremana manerana ny Nosy, nisy koa ny fizarana fanomezana, izay hahitana entana ilaina andavan’andro sy ny arovava…, ho an’ireo tsy manam-piahy toy ny kamboty sy ny mananontena. Nisafidy ny hanao asa soa ny filoha lefitry ny FJKM teo aloha Marc Ravalomanana sy ny ankohonany, ka nanolotra fanampiana izay nahitana vary, menaka, yaourt, ronono, ranomboakazo, dibera ary koa fromazy ho an’ny Akany Avoko Faravohitra sy ireo ankizivavy beazina sy taizana ao.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 10 août 2020 12:20
    • Photos fournies

    BANI Ivato: Réception des nouveaux équipements sanitaires contre le Covid-19

    Les concentrateurs d'oxygène importés par l'État Malagasy pour renforcer la lutte contre la pandémie du coronavirus sont arrivés ce dimanche 09 août 2020 à l'Aéroport de la BANI Ivato. 563 cartons contenant des concentrateurs d'oxygène et des lunettes nasales à oxygène ont été réceptionnés.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 06 août 2020 20:51
    • Sary nindramina

    Malagasy tavela any Inde: Marary ny sasany, ny hafa efa matory miaraka amin’ny faty

    Miaina anaty tebiteby ary mametra-panontaniana : ho tafody velona an-tanindrazana sa tsia ireo Malagasy lasa nitsabo tena any Inde ka tafahitsoka any noho ny fikatonan’ny sisintany, manoloana ny fisian’ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara. Marary ny sasany eo ampiandrasana ny fodiana, misy ny efa namoy ny ainy. Nisy fianakaviana iray tonga tany Inde tamin’ny desambra 2019, nitsabo ny zanak’izy ireo izay voan’ny homamiadan’ny tsokan-damosina. Maty tamin’ny 20 mars 2020 anefa io zaza io. Noho ny tsy mbola afahahan’izy ireo mody aty Madagasikara mantsy dia voatery tazomina ao an-trano ny razana izay miendrika lavenona satria tsy maintsy nodorana. Matory miaraka amin’ny faty ireo fianakaviany sisa tavela any an-toerana ankehitriny na dia mifanohitra amin’ny maha Malagasy « Velona iray trano, maty iray fasana » aza izany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 06 août 2020 14:26

    « Vatsy Tsinjo » : Distrika miisa 13 miampy an’Antananarivo Renivohitra sy Atsimondrano, Avaradrano ary Ambohidratrimo no voakasika

    Nanome toromarika ny Filoham-pirenena ny hanamafisana ny lamina atao amin’ny fizarana ireo « Vatsy Tsinjo » andiany faharoa ho entina miatrika ity valan’aretina ity ho an’ireo Distrika miisa 13 manerana ny Nosy, miampy an’Antananarivo Renivohitra sy Atsimondrano, Avaradrano ary Ambohidratrimo. Ireo distrika izay tena nianjadian’ny fahasahiranana henjana noho ny fihanaky ny valanaretina teo amin’izy ireo no voakasik’ity fanampiana sy fandaminana ity. Hidina ifotony ireo minisitra sy ireo mpiara-miasa amin’izy ireo isan-tokony avy hanampy sy handrindra miaraka amin’ireo tompon’andraikitra any ifotony, mba hisian’ny fizarana marina, ary tena hiantraika any amin’ireo tena mila azy ny fanampiana atolotry ny fanjakana izay miteti-bidy eo amin’ny 72 miliara Ariary.
    Lire la suite ...
Page 2 sur 222