Sociale

    • mercredi, 21 octobre 2020 09:41

    Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : Zaza miisa 64 000 any atsimo no hisitraka ny fanampian’ny Amerikana

    Tsy mitsaha-mihombo ny tsy fahampiana ara-tsakafo any amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara. Manoloana izany dia manolotra vola mitentina 2,5 tapitrisa dolara ho an'ny UNICEF sy ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny sakafo (PAM), ny governemanta amerikana amin'ny alàlan'ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) hitsaboana ireo zaza latsaky ny dimy taona taona ianjadian'ny tsy fanjarian-tsakafo antonony sy mahery vaika. Nisy fanadihadiana natao tamin'ny volana aprily 2020 izay nahafahana naminavina fa zaza maherin'ny 119 000 no ho voan’ny tsy fanjarian-tsakafo antonony, ka mihoatra ny 19 000 amin’izy ireo no ho tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika any amin'ny Distrika enina any atsimo amin'ity taona ity. Mitarika ny fahafatesan’ny 44% an’ireo zaza latsaky ny dimy taona farafahakeliny eto Madagasikara ny tsy fanjarian-tsakafo.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 18 octobre 2020 18:12

    Bakalôrea 2020 : « Aleo hiatrika ampitoniana ny fanadinana ny mpianatra », hoy ny Minisitra Assoumacou Elia Béatrice

    Miantso ny olom-pirenena rehetra mba hamela ny mpianatra hiatrika ny fanadinana ampitoniana ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Pr Assoumacou Elia Béatrice, « izay antoka hananan'ny mpiadina fifantohana amin'izany fanadinana hatrehiny izany », hoy izy. « Tsy ho tombotsoan'iza na iza ny fanakorontana ny mpianatra hanala fanadinana fa fanapotehana ny hoaviny », hoy izy. Misaotra ary midera ny ezaka nataon'ny mpitandro ny filaminana sy ny Fitsarana, ny Minisitra Assoumacou Elia Béatrice taorian’ny nisamborana sy nampidirana am-ponja vonjimaika ao Antalaha olona miisa efatra, mpampianatra iray sy tanora telo izay mpianatra hiatrika fanadinana bakalôrea.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 16 octobre 2020 21:26
    • Photos fournies

    Education : Remise officielle de kits scolaires aux élèves de l'EPP et CEG de la Haute-Ville d'Antsohihy

    Après la distribution effectuée dans la Zone d'Administration Pédagogique (ZAP) d'Anahidrano, le Président Andry Rajoelina et la ministre de l'Éducation nationale, Sahondrarimalala Marie Michelle ont une nouvelle fois dirigé, la cérémonie de remise officielle de kits scolaires aux élèves de l'EPP et CEG de la Haute-Ville d'Antsohihy. L'objectif étant toujours de permettre aux enfants Malagasy d'aborder la nouvelle année scolaire de façon sereine, tout en misant sur l'augmentation du taux de scolarisation à Madagascar. A ceci, s’ajoute d’autres mesures incitatives telles que la gratuité du frais d'inscription de chaque élève dans les écoles publiques ainsi que la mise en place d'infrastructures manarapenitra.
    Lire la suite ...
    • mardi, 13 octobre 2020 13:44
    • Photo : FAO

    Dr Mbuli Charles Boliko : Nouveau représentant de la FAO dans l’Océan Indien

    De nationalité congolaise, Dr Mbuli Charles Boliko est le nouveau représentant de la FAO à Madagascar, aux Comores, à Maurice et aux Seychelles. Ce haut fonctionnaire onusien a présenté la copie de ses lettres de créances au ministre des Affaires étrangères Djacoba Tehindrazanarivelo vendredi dernier. Le diplomate a rencontré le ministre de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche Lucien Ranarivelo lundi.L’occasion a été pour les deux personnalités de lancer officiellement la célébration de la journée mondiale de l’alimentation à Madagascar. L’événement qui se déroulera du 12 au 16 octobre se fera à travers les réseaux sociaux.
    Lire la suite ...
    • samedi, 10 octobre 2020 21:15

    Tohana ara-tsakafo: Nanao tolo-tanana ny Rosiana hanohanana ireo mpianatry ny EPP any atsimon’i Madagasikara

    Mpianatra miisa 200 000 eny anivon’ireo sekoly ambaratonga fototra miisa 800 any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara (Androy, Anosy, Atsimo Andrefana) no hisitraka tohana ara-tsakafo avy amin’ny Firenena Rosiana, izay miara-miasa akaiky amin’ny Fandaharan’asa misahana ny sakafo manerantany na ny PAM. Sakafo manodidina ny 502 taonina, ahitana karazana legioma 382 taonina sy menaka 120 taonina mitetim-bidy iray tapitrisa dôlara no natolotry ny Masoivoho rosiana, Stanislav Akhmedov ny zoma 10 oktobra teny Ivandry.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 08 octobre 2020 22:37
    • Tahirin-tsary manokana

    Ala atsinanana: Mirongatra ny fitrandrahana an-tsokosoko

    Mirongatra izay tsy izy ny fitrandrahana an-tsokosoko tsikaritra any amin’ny ala atsinanana tato ho ato. Anisan’ny lasibatry ny famotehana ny faritra arovan’ny Madagascar National Parks (MNP). Mpisehatra amin’ny tontolo iainana iray monina any amin’ny Distrikan’i Toamasina II no nampita ny hafatra.Mivoaka any atsinanan’Ambatondrazaka ny hazo sarobidy toy ny andramena sy ny voamboana mbamin’ny volomborona mialoha ny ahatongavany eny an-tsena. Misy ihany koa ireo mamadika ny ala voajanahary ho harina.Manginy fotsiny ny fisian’ireo mpitady vato sarobidy toy ny safira sy rubis ary ny volamena any an’ala any.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 08 octobre 2020 22:21
    • Sary nindramina

    Jono aty Alaotra: Voarara mandritra ny roa volana

    Voarara manomboka ny faha-25 oktobra ho avy izao, ka hatramin’ny faha-22 desambra ny asa fanjonoana aty Alaotra-Mangoro. Ny alarobia faha-23 desambra indray ny mpanjono aty an-toerana vao afaka miverina amin’ny asany mahazatra. Efa avo rahateo ny rano no sady efa mafotaka ihany koa ny asa an-tanimbary amin’izay fotoana izay. Mba hahatsara ny vokatra no anton’ny fepetra, hoy ny solontenan’ny minisitera tompon'andraikitra aty Ambatondrazaka. Ny fitsinjovana ny ampitso no ao ambadiky ny fanakatonana ny rano isan-taona. Fotoana fanatodizan’ny karazan-trondro ny vanim-potoana mafana toy izao.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 octobre 2020 21:14
    • Tahirin-tsary nindramina

    Mpiasan'ny FOFIFA: Fito (07) volana tsy nandray karama

    Ny volana martsa 2020, fito volana lasa izay, no nandray karama farany ireo mpiasan’ny FOFIFA (Foibe Fikarohana momba ny Fambolena sy Fiompiana Ampiharina ho Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra). Mampiana-janaka, niaritra ny fihibohana noho ny hamehana ara-pahasalamana, manofa trano, mamelom-bady aman-janaka… Mitaraina ireo mpiasan’ny FOFIFA fa tena mijaly tsy misy isarongitina intsony ka manaitra ny mpitondra fanjakana hamaha ny olana. Raha nandalo tao Antsirabe renivohitry ny Faritra Vakinankaratra ny filoham-pirenena ny 28 Aogositra 2020, nametraka ny vato fototry ny Abatoara ao Tsivatrinikamo, dia nilaza fa tena mampalahelo tokoa ny zava-misy ka nanome herinandro ny Minisitry ny fambolena sy fiompiana ary ny jono ho tsy maintsy voaloa avokoa ny karaman'ny mpiasan’ny FOFIFA manerana an’i Madagasikara fa indrindra ny tao Antsirabe.
    Lire la suite ...
    • mardi, 06 octobre 2020 10:02
    • Sary nindramina

    CEPE 2020 - Antananarivo Renivohitra: Mpianatry ny EPP Est-Ambohijanahary no ambony naoty indrindra

    18,30/20 ny salanisa ambony indrindra tamin’ny fanadinana CEPE 2020 teto Antananarivo Renivohitra. Tovolahy kely mpianatry ny EPP Est-Ambohijanahary no nahazo io salanisa ambony indrindra io. Nisy ny alatsinainy 05 oktobra ny fankasitrahana nomen’ny fiadidiana ny tanàna tamin’ny alalan’ny Ben’ny tanàna, Naina Andriantsitohaina mivady, ireo mpianatra miisa 30 mianadahy, 5 isaky ny Boriborintany, tsara naoty indrindra tamin’iny fanadinana CEPE 2020 iny.
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 octobre 2020 17:32
    • Photos Fournies

    Malnutrition dans le sud de Madagascar: Des secours d'urgence et des aides sociales pour les populations locales

    Le Président de la République Andry Rajoelina s'est rendu dans les régions Anosy et Androy pour apporter les secours d'urgence et des aides sociales pour les populations locales. Mais aussi pour renforcer et coordonner les projets et les infrastructures socio-sanitaires dans le cadre de la lutte contre l'insécurité alimentaire et la malnutrition dans cette partie Sud de Madagascar. Ce 3 octobre 2020, le Chef de l’État a effectué une descente, notamment dans les communes d'Ifotaka, de Behara, d'Ebelo ainsi que dans le District de Tsihombe. Les enfants et adultes présentant des symptômes de malnutrition sévère ont directement été pris en charge par le Ministère de la Santé Publique qui prodigue depuis quelques mois des traitements nutritionnels adéquats au profit des enfants et adultes victimes de ce fléau.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 224