Ny 14 oktobra no tena fetim-pirenena malagasy

  • mercredi, 14 octobre 2020 15:35
  • Balita
  • Sary nindramina

Isaky ny 14 oktobra fa tsy isaky ny 26 jona no tsara mifampiarahaba noho ny fahatongavan’ny fetim-pirenena ny Malagasy.

Ny datin’ny faha-14 oktobra no tena fetim-pirenena malagasy fa tsy ny faha-26 jona, araka ny mahazatra ny maro isan-taona tsy akory.

Manambara izay mazava tsara, ny hitsivolana 60-062 tamin’ny 20 jolay 1960, araka ny voarakitra ao amin’ny Gazetim-panjakana tamin’ny faha-23 jolay 1960.

Mbola mitoetra ho lalàna manankery eto amin’ny tany sy ny fanjakana hatrany izany hitsivolana izany.
Tsy mbola nisy mihitsy ny hitsivolana manafoana ny fisiany hatramin’ny anio.
Ny datin’ny faha-14 oktobra rahateo no taloha fa tsy ny faha-26 jona.

Ny talata 14 oktobra 1958 tamin’ny 11 ora latsaka 10 minitra no nanambara tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny efitra fivoriana tao amin’ny lisea Gallieni Andohalo, Antananarivo, ny fahaterahan’ny Repoblika Malagasy i Zafimahova.
Izy no filohan’ny Kongresin’ny Antenimieram-paritany, izay nomen’ny Lalampanorenana frantsay fahefana hisafidy ny sata ho an’ny firenena malagasy.

Nisoro tamin’ny fitsapankevibahoaka i Madagasikara ny 28 septambra 1958, izany hoe telo herinandro mialoha io datin’ny 14 oktobra 1958 io.

Nandresy tamin’ny salanisa 77,6 isanjato ny “eny” manerana ny nosy momba ny fahazoana fahaleovantena.
Io 14 oktobra 1958 io ihany dia nankatoavin’ireo mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny Antenimieram-paritany ny Lalampanorenana vonjimaika hifehezana ny raharaham-panjakana.
Teraka tamin’ny 14 oktobra 1958 ny governemanta vonjimaika.

Efa filoha lefitra tao nanomboka ny 27 mey 1958 i Tsiranana Philibert.

Ny 29 aprily 1959 kosa dia nankatoavin’ny Antenimiera 100 isanjato ny maha-filohan’ny governemanta azy.
Sady nisahana ny andraikitry ny filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika Voalohany izy tamin’izay.

Ny Repoblika Malagasy no teraka tamin’io 14 oktobra io ary mbola nitoetra ho mpikambana teo anivon’ny Communauté française i Madagasikara.

Nankatoavina sy nanankery nanomboka ny 29 aprily 1959 ny Lalampanorenana raikitry ny Repoblika Voalohany.
Rafitra vonjimaika avokoa no nisahana ny fitantanan-draharaha hatramin’ny nanambarana ny fiverenan’ny fahaleovantena ara-politika ny 26 jona 1960.

Nampiandrasana kely izy io noho ny adivarotra manodidina ny fifanaraham-piarahamiasa (Accords de cooperation).

Hatramin’ny taona 1972 dia samy nankalazaina ny fetin’ny 26 jona sy ny fetin’ny 14 oktobra.

Nanjavona tanteraka kosa ny fankalazana ny andron’ny 14 oktobra nanomboka ny taona 1973.
Nahazo sehatra malalaka ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantenan’ny 26 jona nanomboka teo.

Lasa novetavetaina hatramin’ny tsangambato notokanan’ny filoha Tsiranana Philibert tao Antananarivo tamin’ny faha-14 oktobra 1959.

Nisafidy ny hamelomaso indray io datin’ny 14 oktobra io ny fitondrana ankehitriny.

Any Anahidrano, Antsohihy, misy ny tanànan’ny filoha Tsiranana Philibert sy ny fianakaviany no nosafidiana hankalazana ny tsingerintaona faha-62 nahaterahan’ny Repoblika Malagasy anio alarobia.

Miteraka adihevitra lehibe any anaty fiarahamonina sy eo amin’ny samy olompirenena ny fifangaroan’ny datin’ny 26 jona sy ny 14 oktobra.

Hafana ihany koa ny adihevitra mikasika azy io eny anivon’ny foloalindahy noho ny datin’ny faha-26 jona manan-danja manokana ho azy ireo.

Adidin’ireo mpahaitantara sy mpahaifitondrampanjakana mbamin’ny mpahaifiarahamonina amam-politika ny manazava misimisy kokoa ny tena marina mba tsy hampiroaroa saina ny Malagasy eo anatrehan’ny fivoaran’ny tantaram-pirenena.

Balita Raharisoa

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.