Vondron'orinasa Tiko: 1 461 miliara Ariary mahery ny sandan'ny fahapotehana tamin’ny 2009

  • mercredi, 30 septembre 2020 20:42
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tonga teny amin’ny foiben’ny CFM (Conseil du Fampihavanana Malagasy) Ampefiloha ny delegasiona avy amin’ny orinasa Tiko androany, nanatitra antotan-taratasy mikasika ny fanapotehana sy fanaovana antsojay amin'ny orinasa TIKO.

Nilaza i Me Hanitra Razafimanantsoa fa Mpisolovavan'ny orinasa TIKO ny tenany tamin'ny vanim-potoan'ny krizy 2009. Maro ny Antotan-taratasin'ady nokirakiraina tamin'izany ho fitakiana ny fahamarinana sy niarovana ny zon'ny orinasa.

Ankehitriny 150 miliara ariary eo no voalaza fa trosa tokony ho efain'ny Tiko amin’ny fanjakana, kanefa 1461 miliara Ariary mahery ny sandan'ny fahapotehan'ny Vondron'orinasa Tiko, nisy orinasa 11 izay tokony honerana, hoy i Me Hanitra sady solombavambahoaka Tiako i Madagasikara.

Mbola mitohy ny famotehana sy fandravana any Toamasina hatramin'izao.

Natao izany ho fanamafisana ny fitakiana ny fanatanterahana ny Tondrozotra izay mandidy ny fitondrana hanao ny "réparation et indemnisation" ho an'ireo rehetra niharan'ny tsy rariny noho ny fanonganam-panjakana, hoy izy. Anisan'izany ny TIKO.

Antenaina fa handray ny andraikitra manandrify azy amin'izay ny CFM satria anisan'ny antom-pisiany ny fanatanterahana ny voalazan'ny tondrozotra, mikasika ny fampihavanam-pirenena. Ao anatin'izany ny "réparation et indemnisation".

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.