Doro tanety mampiasa vorona

  • mercredi, 30 septembre 2020 20:23
  • Balita
  • Sary nindramina fanehoana

Izay mandoro tanety mandoro Tanindrazana, hoy ny fiteny fanentanana ifampitàna isan-taranaka mifandimby.

Misy dia tena misy tokoa anefa ny olom-pirenena maka fahafinaretana amin’ny fandoroana ny tanety, indrindra amin’izao vanim-potoana mahamaina ny tany izao.

Tato ho ato dia manomboka mainty ny lanitr’Iarivo noho ny setroka miainga avy any ambany atsinanana.
Mampiasa vorona toy ny kibobo azo sambo-belona ireo mpilalao afo, araka ny angom-baovao eny amin'ny fiaraha-monina eny.

Rariana vanjan’afokasoka miaraka amin’ny vorodamba ny tongotry ny vorona.
Arehitra ilay lamba ary alefa misidina ilay biby tsy manantsiny.

Rehefa mipetraka izy ka mitsefotra ny vanja dia mirehitra ny bozaka maina eo amin’ny manodidina.

Taitra ilay vorona ary lasa misidina indray dia toy izany hatrany mandrampahatapitry ny vanja eny an-tongony.
Izay no mampihanaka haingana ny afo kanefa tsy tazana akory izay olona mandoro azy.

Ny vorona no ampiasainy mandrehitra ny afo fa izy ireo kosa miafina tsara ao anaty bozaka.

Io fomba iray io no ampiasain’ireo maty eritreritra handoroana ny tany malalaka rakotra bozaka maina sy hazo maniry.

Filazàna ny zava-misy no antony ampahafantarana izany eto fa tsy sanatria mampiana-dratsy tsy akory.

Misy ihany koa ireo fikarohana maro momba ity fandoroana tanety ity, izay fantatry ny maro momba ny resaka tavy, na fambolena an-tanety, ao ihany koa ny te hanana vilo-maitso ho an'ny omby rehefa mitsiry ny ahitra, ary ao ny milaza fa fanoherana sy filazana fahatezerana amin'ny fanjakana.

Heloka bevava ny fandoroana tanety ary mendrika sazy henjana izay tratra na voaporofo fa minia mamotika ny Tanindrazana amin’ny filalaovan’afo.

Balita Raharisoa

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.