Kaominina Mandritsara- Vakinankaratra: Haverina ny fifidianana Ben’ny tanàna

  • mercredi, 30 septembre 2020 13:04
  • Zakaria

Namoaka didy ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana Antananarivo, fa hisy fifidianana Ben’ny tanàna vaovao ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Mandritsara, Distrikan’i Betafo, Faritra Vakinankaratra taorian’ny nahafaty ny Ben’ny tanàna voafidy farany tao, Rakotondranaivo Roger ny 18 jolay 2020 ka nahabanga io toerana io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.