Antananarivo Renivohitra: Mivory ara-potoana mandinika ny tetibola 2021 ny Mpanolontsaina monisipaly

  • mercredi, 30 septembre 2020 13:03
  • Zakaria

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 29 septambra 2020 ny fivoriana ara-potoana izay notanterahan’ny mpanolontsaina monisipaly. Izay haharitra 10 andro ao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Tonga nitarika sy nanokatra izany ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina sy ny Filohan’ny filankevitra monisipaly Ralitera Andriamparany.

Ny lahadinika amin’izany dia ny fandinihana ny tetibolan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ho an’ny taona 2021.

Ho an’ny omaly dia tonga nitafa mivantana tamin’ireo mpanolontsain’ny tanàna sy nitondra fanazavàna ary famelabelarana bebe kokoa, momba ny politikam-pitantanana ankapobeny mikasika ny tetibola 2021 ny Ben’ny tanàna Naina Andriatsitohaina.

Teo koa ny fampahafantarana ny tetik’asa izay ho tanterahin’ny Ben’ny tanàna. Ka nisy nandritra izany ireo fanontanina izay nataon’ny mpanolontsaina sy ny famaliany izany.

Ankoatra izay dia nisy ny fampahalalana ny mpanolontsaina vaovao iray Andrianatoandro Julle, izay solon’ny mpanolontsaina teo aloha nodimandry. Izay nahazoana taratasy, alalana avy amin’ny “Tribunal Administratif”.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.