Arovava/arotava: Hadinon’ny fitondrana ny fampanantenana nataony

  • jeudi, 06 août 2020 20:53
  • Balita
  • Tahirin-tsary présidence

Manodidina ny 70 000 ny isan’ny olompirenena nosazian’ny zandary noho ny tsy fanaovana arovava na arotava, hoy ny jeneraly Andrianjanaka Njatosoa, izay lehibe mpifehy ny zandary manerana an’i Madagasikara, omaly alarobia 5 aogositra.

Voasazy nanao asa fanasoavana iombonana na Travaux D'intérêt Général (TIG) ireo olona ireo.
Efa nanome isa an’alina toy izany ihany koa ry zareo ao amin’ny Polisim-pirenena.

Tsy voafaritra tao anatin’ireo tatitra vonjimaika roa ireo ny vanim-potoana na volana nahabetsaka ny isan’ireo olona niharan’ny sazy noho ny tsy fitondrana arovava na arotava.

Antony maro no nahatonga ny olona nanao tsirambina ny tsy fitondrana arovava/arotava tany amboalohany.
Ny faran’ny volana martsa no nilatsahan’ny fepetra manambara fa tsy maintsy manao arovava/arotava ny olona rehefa mivoaka ny trano.

Nitsidika ny toeram-pamokaran’ny orinasa afakaba Ciel teny Tanjombato ny filoha Andry Rajoelina ny 3 aprily.
Fantatra tamin’izay fa nampanamboatra arovava/arotava miisa 5 tapitrisa manaraka ny fenitry toeram-pitsaboana any Grenoble, Frantsa, ny fanjakana.

Hozaraina maimaimpoana amin’ny vahoaka avokoa ireo arovava/arotava ireo, hoy ny filoham-pirenena.
Ireo sokajin'olona mpifanerasera be indrindra amin'ny hafa toy ny mpitandro filaminana, ny mpivarotra, ny mpiasan'ny fahasalamana anefa no homena tombon-dahiny.

Orinasa afakaba miisa dimy no nisahana ny famokarana ireo arovava/arotava ireo ary notombanana hahavita 150 000 isa amin’izany isan’andro izy ireo.

Tsy re dinika intsony anefa ny mikasika io fizaràna arovava/arotava maimaimpoana taty aoriana kely.
Miteny ho azy ireny antsoantso ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana ireny raha tsy hilaza afa-tsy io sokajy iray io ihany.

Samy niezaka nanamboatra ny azy ny isan-tokantrano sy ireo vondrona samihafa, na ny avy eto an-toerana izany na ny iraisam-pirenena.

Niezaka nizara maimaimpoana tamin’ny hafa ireo manana ny fahafahana manao izany.
Mbola mitohy mandrak’androany izay fanao tsara mitory ny fitsinjovana ny mpiarabelona izay, araka ny hita sy re amin’ny fampitam-baovao samihafa.

Balita

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.